Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bala-berita

Bala-berita

(Bàla-berìta) [Tompon’ny Fifanekena; Ela-berita (“Andriamanitry ny Fifanekena”) ao amin’ny Mpts 9:46].

Ilay Balan’i Sekema nivavahan’ny Israelita rehefa maty i Gideona Mpitsara. (Mpts 8:33) Nantsoina hoe “Bala-berita” angamba izy io, satria noheverina ho nanara-maso raha nohajaina ny fifanekena na tsia.

Nisy fitehirizan-karena tao amin’ny trano na tempolin’i Bala-berita tao Sekema. (Mpts 9:4) Toa nanao fety ho an’i Bala-berita ny Sekemita rehefa fotoam-piotazam-boaloboka, ary niara-nihinana an’ilay sakafo nataony sorona ho azy tao amin’ny tempoliny izy ireo. Nihinana sy nisotro izy ireo tao ary nanozona an’i Abimeleka Mpanjaka satria angamba efa mamo, tamin’izy ireo nampirisihin’i Gala hikomy tamin’i Abimeleka. (Mpts 9:27-29) Nankao amin’ilay efitra fandosirana tao an-tranon’i Ela-berita (Bala-berita) ny mponina tao amin’ilay tilikambo tao Sekema (Migdala-Sekema, DIEM), rehefa notafihin’i Abimeleka. Nodoran’i Abimeleka sy ny olony anefa ilay efitra, ka may tao izy ireo.​—Mpts 9:46-49.