Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bala-hazora

Bala-hazora

(Bàla-hazòra) [Tompon’ny Tokotany (Tanàna Kely)].

Toerana tany akaikin’i “Efraima” (mety ho ilay tanànan’i Efraina [Efraima] resahin’ny 2Ta 13:19 ihany; ampit. Jn 11:54). Tany i Absaloma no nanao fety tamin’ny fotoana fanetezana ondry, sady nampamono an’i Amnona rahalahiny. (2Sa 13:23, 28) Misy milaza azy io ho ny tendrombohitra Jebel ʽAsor (Baʽal Hazor), izay mirefy 1032 m ny haavony, tokotokony ho 8 km any avaratratsinanan’i Betela. Avy tany Bala-hazora i Absaloma no nandositra nankany amin’ny fanjakana kelin’i Gesora, tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia.