Bala-hermona
(Bàla-hermôna) [Tompon’i Hermona].
Anarana hita ao amin’ny Mpitsara 3:3 sy 1 Tantara 5:23. Lazain’ny Mpitsara 3:3 fa nonina tao ireo Sidonianina sy Hivita tsy resin’ny Israelita. Antsoina hoe “tendrombohitra Bala-hermona” izy io ao. Maro no mihevitra azy io ho ny Tendrombohitra Hermona, na ny tandavan-tendrombohitra Amana, na ny ampahany aminy. Tononin’ny 1 Tantara 5:23 miaraka amin’i Senira sy ny Tendrombohitra Hermona ary ny faritr’i Basana i “Bala-hermona”, mba hamaritana ny tanin’ny antsasaky ny fokon’i Manase. Mety ho tanàna na toerana tany akaikin’ny Tendrombohitra Hermona àry izy io, nefa mety ho ny faritra be tendrombohitr’i Hermona koa.—Jereo HERMONA.