Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bala-perazima

Bala-perazima

(Bàla-perazìma) [Tompon’ny Famakiana Laharana].

Tany i Davida Mpanjaka no nandresy tanteraka ny vondron’ny tafika mpiray dinan’ny Filistinina, taoriana kelin’ny nahazoan’i Davida ny tanàna voaro mafin’i Ziona. (2Sa 5:9, 17-21) Milaza ilay fitantarana fa “nidina tany amin’ny toerana sarotra haleha” i Davida sy ireo lehilahy niaraka taminy rehefa ren’izy ireo fa nanatona mba hiady ny Filistinina, izay “nihaodihaody teo amin’ny lemaka ivan’ny Refaima.” Notafihin’i Davida izy ireo rehefa nanome toky i Jehovah fa hanampy azy. Nandositra ny Filistinina ary navelany teo ny sampiny. Niaiky i Davida fa avy amin’i Jehovah ny fandreseny. Hoy izy: “I Jehovah efa nialoha ahy ka namaky ny laharan’ny fahavaloko, sahala amin’ny rano mamaky fefiloha.” Noho izany dia “nataony hoe Bala-perazima ny anaran’io toerana io.” Lazain’ny 2 Samoela 5:21 fa ‘nentin’i Davida sy ny olony ny sampy navelan’ny Filistinina.’ Andininy mifanitsy amin’io ny 1 Tantara 14:12, ary izao no lazainy momba ny niafaran’ilay tantara: “Koa nodorana ireny [ireo sampy], araka ny baikon’i Davida.”

Voalaza fa i Bala-perazima ihany ilay Tendrombohitra Perazima resahin’i Isaia (28:21). Tononin’i Isaia ao amin’ny faminaniany io anarana io, ka mampahatsiahy ny fandresena azon’i Jehovah tamin’ilay ady nataon’i Davida tao Bala-perazima izany. Voalaza fa hanao zavatra hafahafa toa an’iny i Jehovah rehefa hamaky ny laharan’ny fahavalony toy ny ataon’ny ranotrambo mitosaka be.

Voalaza fa ny Lemaka Ivan’ny Refaima, dia tsy iza fa ny Lemak’i Bakaʽ any atsimoandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly. Mitsontsorika tokotokony ho 1,5 km ny Lemak’i Bakaʽ ary lasa lohasaha tery antsoina hoe Lohasaha Falehan-driaka el Verd (Nahal Refaʼim). Izany no mahatonga ny manam-pahaizana sasany hilaza fa teo akaikin’io lohasaha io no nisy an’i Bala-perazima. Nilaza anefa i Isaia (28:21) fa hanao zavatra toy ny teo amin’ny “lemaka iva akaikin’i Gibeona” koa i Jehovah. Misy manam-pahaizana àry milaza an’i Bala-perazima ho i Sheikh Bedr, any avaratrandrefana, tokotokony ho 4 km any andrefana avaratrandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly. (Js 15:8, 9) Mifanaraka amin’izany ny lalana nanenjehan’i Davida an’ireo Filistinina, izay voalaza fa nandositra nankany Gibeona sy Gazera.​—2Sa 5:22, 25; 1Ta 14:16.