Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bala-zeboba

Bala-zeboba

(Bàla-zebòba) [Tompon’ny Lalitra].

Ilay Bala nivavahan’ny Filistinina tao Ekrona. Fanaon’ny Hebreo ny nanova ny anaran’ireo andriamani-diso tamin’ny anarana mitovitovy amin’ilay izy nefa manambany. Mety ho ilay anaram-boninahitr’i Bala hoe “Zabola” (“Andriana”) na Zebola ao amin’ny soratra Ras Shamra àry no novana hoe “zeboba.” Misy manam-pahaizana anefa milaza fa ny mpivavaka tamin’io andriamanitra io ihany no nanome an’ilay anarana, satria noheveriny fa izy io no nampisy sy nifehy ny lalitra, izay bibikely manorisory fahita any Israely sy ny firenena manodidina. Ny hafa indray mihevitra fa tamin’ny alalan’ny fanidin’ny lalitra na ny fanenony no nampitan’ilay andriamanitra ny hafany.​—2Mp 1:2.

Nandefa iraka i Ahazia mpanjakan’ny Israely mba hanontany an’i Bala-zeboba, raha ho sitrana ihany izy na tsia. Nirahin’i Jehovah hiteny mafy azy àry i Elia mpaminany hoe: “Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra mihitsy eto amin’ny Israely, no mandefa iraka hanontany an’i Bala-zeboba andriamanitr’i Ekrona ianao? Koa tsy hiala eo amin’io fandriana niakaranao io intsony ianao, fa ho faty tokoa.”​—2Mp 1:2-8; jereo BELZEBOBA.