Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Balama

Balama

(Balàma) [mety hidika hoe Ilay Mitelina].

Zanakalahin’i Beora, velona tamin’ny taonjato faha-15 T.K. Nipetraka tao Petora tanàna aramianina izy, tany amin’ny Lohasahan’i Eofrata tany avaratra, akaikin’ny Reniranon’i Sajoro. Tsy Israelita i Balama nefa nahafantapantatra an’i Jehovah ihany sady niaiky fa Izy no tena Andriamanitra. Niantso azy hoe “Jehovah Andriamanitro” mihitsy aza izy, indray mandeha. (No 22:5, 18) Nisy mpanompon’i Jehovah (Abrahama sy Lota ary Jakoba) mantsy taloha nonina tany akaikin’i Harana, tsy lavitra an’i Petora.​—Ge 12:4, 5; 24:10; 28:5; 31:18, 38.

Nandefa iraka hiantso an’i Balama i Balaka mpanjaka moabita. Tsy nety nandray “ny saran’ny fanaovana sikidy” nentin’izy ireo anefa i Balama, fa hoy izy: “Tsy avelan’i Jehovah hiaraka aminareo aho.” (No 22:5-14) Nisy “andriana maro kokoa sy manan-kaja kokoa” tonga tany aminy avy eo. (No 22:15) Nanontany an’Andriamanitra indray àry i Balama raha afaka ny hiaraka amin’izy ireo. Namaly i Jehovah hoe: “Mandehana miaraka aminy, nefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no azonao lazaina.”​—No 22:16-21; Mi 6:5.

Lasa tokoa i Balama. Intelo nijoro teo amin’ny lalany anefa ny anjelin’i Jehovah, ary hitan’ilay ampondra nitaingenany. Nivily tany anaty saha àry aloha ilay ampondra, ary avy eo nisisika nitampify tamin’ny fefy ka tery tao ny tongotr’i Balama. Farany, dia nipetraka ilay ampondra nefa i Balama mbola teo amboniny. Nokapohiny intelo ilay ampondra ary nahagaga fa niteny. (No 22:22-30) Hitan’i Balama ihany tamin’ny farany ilay anjelin’i Jehovah, izay niteny hoe: “Nivoaka hanohitra anao aho, satria mifanipaka tanteraka amin’ny sitrapoko ny ataonao.” Mbola navelan’i Jehovah hanao izay tiany ihany anefa izy.​—No 22:31-35.

Tsy nankasitrahan’Andriamanitra mihitsy ny hanozonana ny Israely, ka naverimberiny tamin’i Balama fa tokony hitso-drano azy ireo izy, fa tsy hanozona azy. (Js 24:9, 10) Navelany handeha ihany anefa izy. Toy izany no nataon’i Jehovah tamin’i Kaina. Efa nilazany izy fa tsy mety ny nataony, kanefa navelany hisafidy koa izy, na hiova na hikiry hanao ratsy. (Ge 4:6-8) Mafy loha toa an’i Kaina anefa i Balama, ka tsy niraharaha izay sitrapon’i Jehovah. Tsy nieritreritra afa-tsy izay tombony ho azony izy. Nohajambain’ny fitiavan-karena izy, ka tsy tsapany hoe tsy mety ny nataony. Nilaza i Joda mpianatr’i Jesosy fa ‘niolomay hanaraka lalan-diso i Balama mba hahazoana karama.’ Hoy koa ny apostoly Petera: “Tia karama azo tamin’ny fanaovan-dratsy ... i Balama [zanak’i Beora]. Nanarina anefa izy satria tsy nanao izay mahitsy. Niezaka nisakana ny hadalan’ilay mpaminany ny ampondravavy moana, izay niteny toy ny olona.”​—Jd 11; 2Pe 2:15, 16.

Tonga tany Moaba ihany i Balama, ary nihaona tamin’i Balaka Mpanjaka teo amoron’i Arnona. Ny ampitson’iny ihany izy, dia efa nitady fomba hanampiana an’ireo mpanohitra ny vahoakan’i Jehovah. Niara-nanolotra sorona izy sy Balaka. Nihataka kely izy taorian’izay mba ‘hitady fambara ratsy.’ (No 23:3; 24:1) Ny hitsofany rano ny Israely anefa no hany hafatra nampitain’i Jehovah taminy. Nanao sorona teo an-tampon’i Pisga indray izy ireo, nefa mbola ‘tsy nisy heriny teo amin’i Jakoba [ihany] ny ozona famosaviana’, fa vao mainka aza izy nahazo tsodrano. Nisy fanatitra natao indray teo an-tampon’i Peora, nefa fanintelony izao no ‘novan’Andriamanitra ho tsodrano ilay ozona.’​—No 22:41–24:9; Ne 13:2.

Koa “nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka” ka nitehaka izy, sady niteny hoe: “Ny hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, nefa vao mainka nitso-drano azy intelo ianao. Koa mandosira any amin’izay misy anao. Efa niteny anakampo aho fa hanome voninahitra anao, nefa efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra i Jehovah.” (No 24:10, 11) Niezaka nanala tsiny ny tenany àry i Balama. I Jehovah indray no nomeny tsiny hoe tsy namela azy hanozona. Nilaza koa izy fa “tsy ho afaka handika ny baikon’i Jehovah”, ary ‘izay lazain’i Jehovah ihany no holazainy.’ Nanao oha-teny vitsivitsy momba ny fahavalon’ny Israely izy avy eo, ary ‘nitsangana ka niverina tany amin’izay nisy azy.’​—No 24:12-25.

Tsy voatery hoe nody tany Petora akory i Balama, rehefa hoe “niverina tany amin’izay nisy azy.” Mety ho nijanona teny akaikin’ny Tendrombohitra Peora ihany izy. Hoy ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Cook momba ny Nomery 24:25: “Niverina tany amin’izay nisy azy ... Tsy tany amin’ny taniny, fa mbola nijanona teo amin’ireo Midianita izy mba hitady tetika hafa hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra, ka ho faty noho ny fahotany. ... Fampiasa matetika io fomba fitenenana io (jereo, ohatra, Gen. 18:33; 31:55; I S. 26:25; 2 S. 19:39), ary midika fotsiny hoe nandeha tany amin’izay tiany haleha i Balama.”

Mbola nanantena hahazo ilay valisoa ihany i Balama. Efa nisasatra mafy mantsy izy sady efa nanao dia lavitra mba hahazoana azy io. Nieritreritra izy fa raha tsy ho vitany ny hanozona ny Israely, dia mety ho Andriamanitra mihitsy no hanozona ny vahoakany, raha taomina hivavaka amin’i Balan’i Peora sy hanaram-po amin’ny firaisana izy ireo. ‘Nampianarin’i Balama hitaona ny zanak’Israely hanota, ka hihinana zavatra natao sorona ho an’ny sampy sy hijangajanga’ àry i Balaka. (Ap 2:14) “Nampirisihin’i Balama” ireo zanakavavin’i Moaba sy Midianina mba “hitaona ny zanak’Israely hivadika tamin’i Jehovah, tamin’ilay zava-nitranga tao Peora, ka namely ny vahoakan’i Jehovah ny loza.” (No 31:16) Lehilahy israelita 24 000 no maty vokatr’izany. (No 25:1-9) Tsy navelan’Andriamanitra ho afa-maina anefa i Balama sy ny Midianina. Nasainy naringana daholo ny lehilahy sy vehivavy ary ankizilahy tao Midianina, afa-tsy ny virjiny. “Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balama zanak’i Beora.” (No 25:16-18; 31:1-18) Ny Moabita kosa tsy navela hiditra ho anisan’ny fiangonan’i Jehovah “hatramin’ny taranany fahafolo.”​—De 23:3-6.