Baleta-bera
(Balèta-bèra) [Tompovavin’ny Lavadrano].
Tanànan’ny fokon’i Simeona tafiditra tao anatin’ny faritanin’ny fokon’i Joda. (Js 19:1, 8) Antsoina koa hoe “Rama any atsimo” (na any Negeba) izy io, na “Bala” fotsiny ao amin’ny 1 Tantara 4:33, ary mety ho izy ihany ilay “Ramota any atsimo” resahin’ny 1 Samoela 30:27. Tokony ho tany atsimon’i Beri-sheba, izany hoe tany Negeba no nisy azy io, araka ireo andininy ireo.