Balisa
(Bàlisa).
Mpanjakan’i Amona voalaza fa naniraka an’i Ismaela hamono an’i Gedalia, governoran’i Joda, tamin’ny 607 T.K. “Belisa” no ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo azy.—Je 40:14.
Nofongarina tany Tell el-ʽOmeiri any Jordania ny tombo-kase iray misy anarana hoe Baʽalyishʽa, tamin’ny 1984. Amin’ny teny amonita tranainy ny soratra eo amin’izy io, ka lazain’ny manam-pahaizana fa natao tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito T.K. izy io. Izao ilay soratra: “An’i Milkomʼor [na Milkomʼur], mpanompon’i Baʽalyishʽa.” Mety ho ilay Balisa resahin’ny Baiboly io Baʽalyishʽa io.