Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Balsama, Balsama avy any Gileada

Balsama, Balsama avy any Gileada

“Balsama” no ilazana ny zavamaniry sy hazo lehibe na madinika misy menaka sy ditiny manitra, ary ny menaka sy dity namboarina avy amin’ilay izy. Ahazoana balsama koa ny hazo kesika, aravaha, sy karazan-kazo hafa. Atao fanafody (mazàna misy asidra banzoìka na sinamìka) sy ranomanitra ny menaka balsama.

Sarobidy be ny zavamaniry sy hazo balsama, tamin’ny olona tany Atsinanana. Ny Eksodosy 25:6 no voalohany miresaka “menaka balsama” (heb.: bôsem, besem na basam), izay anisan’ny nanaovana menaka masina fanosorana tao amin’ny tranolay masina. (Jereo koa Ek 35:8, 28.) Nadika hoe “zava-manitra”, “mani-pofona”, na “zavamaniry mani-pofona” indraindray ilay teny hebreo. (Ek 30:23; To 4:10, 14, 16; 5:13; 6:2; 8:14) Ampifanoherina amin’ny “fofona maimbo” ny hanitr’ilay menaka.​—Is 3:24.

Avy any ivelan’i Palestina, angamba avy any Ejipta, ilay balsama nampiasaina tao amin’ny tranolay masina tany an-tany efitra. Sarobidy ny menaka balsama tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka, matoa notanisaina niaraka tamin’ny volamena sy vatosoa nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba izy io, ary anisan’ny fanomezan’ny mpanjaka maro ho an’ilay mpanjaka hendry tao Jerosalema. (1Mp 10:2, 10, 25; 2Ta 9:1, 9, 24) Tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny mpanjaka koa izy io (tsy hendry i Hezekia nampiseho an’ilay fitehirizan-karena tamin’ny irak’i Babylona). (2Mp 20:13; 2Ta 32:27; Is 39:2) Nikarakarana ny fatin’i Asa Mpanjaka (saingy tsy hoatran’ny fanaon’ny Ejipsianina) ilay menaka. (2Ta 16:14) Niotra tamin’ny menaka balsama i Estera nandritra ny enim-bolana, talohan’ny nisehoany teo anatrehan’i Ahasoerosy Mpanjaka.​—Es 2:12.

Toa niavaka ilay ‘balsama [heb.: tsôri] any Gileada’, ary toa fanafody tena tsara. (Je 8:22; 46:11) Voaresaka voalohany izy io, rehefa nisy Ismaelita maromaro niara-dia avy tany Gileada (atsinanan’i Jordana) nitondra entam-barotra, ary nividy an’i Josefa. (Ge 37:25-28) Anisan’ny “vokatra tsara indrindra amin’ny tany” nampitondrain’i Jakoba an’ireo zanany niverina tany Ejipta koa izy io, mba hatao fanomezana. (Ge 43:11) Nanafatra azy io avy tany Joda ny mpivarotra mpanefohefo tao Tyro.​—Ezk 27:17.

Betsaka ny boky fahiny miresaka hoe fanafody, indrindra fa ody fery, ny balsama. I Jeremia irery no mpanoratra Baiboly miresaka hoe fanafody ny balsama, saingy amin’ny heviny an’ohatra: Tamin’izy nalahelo fa narary ara-panahy i Joda (Je 8:14, 15, 21, 22; ampit. Jk 5:14, 15), sy nibedy an’i Ejipta noho izy io nitady fomba tsy handresen’i Babylona azy (Je 46:11-13), ary nilaza ny fanamelohan’Andriamanitra an’i Babylona.​—Je 51:8-10.

Tsy tena fantatra hoe zavamaniry na hazo inona ilay hoe bôsem (heb.) sy hoe tsôri (heb.). Misy milaza fa ilay hazo madinika maitsoririnina Commiphora opobalsamum (na Commiphora gileadensis) ilay “balsama avy any Gileada.” Mamoaka ditiny toy ny menaka ny vatabeny sy sampany rehefa tatahana. Mavo manopy maitso sady mivaingambaingana kely ilay dity, ary hangonina avy eo. Fahita any Arabia Atsimo io hazo io, saingy nambolena azy io koa nanodidina an’i Jeriko tamin’ny andron’i Solomona, hoy i Josèphe (Jiosy mpahay tantara), sy teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia tamin’ny andron’ny Romanina, hoy i Strabon (Grika mpahay jeografia).

Mety ho ilay hazo Pistacia lentiscus mamoaka ditiny manitra mavo matsora, hono, ny tsôri (heb.). Mamoaka menaka atao fanafody koa ny hodiny sy raviny ary ny voany. Fahita any Palestina io hazo io, ary mitovy be amin’ny hoe tsôri ny fiantsoan’ny Arabo azy io.