Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bana

Bana

(Bàna).

1. Zanakalahin’i Rimona Benjamita. Izy sy Rekaba rahalahiny no lehiben’ireo mpandroba nampiasain’i Isboseta zanakalahin’i Saoly. Novonoin’izy mirahalahy i Isboseta tamin’izy natory antoandro, ka nentin’izy ireo tany amin’i Davida ny lohany. Vao lasa mpanjaka i Davida tamin’izay, ka nasainy novonoina izy roa lahy, notapahina ny tanany aman-tongony, ary nahantona teo akaikin’ny dobo tao Hebrona ny fatin’izy ireo.​—2Sa 4:2-12.

2. Netofatita rain’ilay Haleba (Heleda) anisan’ny lehilahy maherin’i Davida.​—2Sa 23:29; 1Ta 11:30.

3. Iray tamin’ireo lehibem-paritra 12 notendren’i Solomona hamatsy sakafo ny tao an-dapany. Niandraikitra ny faritany voatonona fahadimy izy, indrindra fa ny lohasahan’i Megido sy Jezirela, izay tena mahavokatra. Zanak’i Ahiloda i Bana, ary azo inoana hoe rahalahin’i Josafata mpanoratra ny raharaham-panjakana tamin’ny andron’i Solomona.​—1Mp 4:3, 7, 12.

4. Iray tamin’ireo lehibem-paritra 12 notendrena hamatsy sakafo ny tao an-dapan’i Solomona koa. Izy no niandraikitra ny faritra voatonona fahasivy, izany hoe ny ilany avaratr’i Palestina. Zanak’i Hosay naman’i Davida izy.​—1Mp 4:7, 16; 2Sa 15:32-37.

5. Mety ho iray tamin’ireo mpitarika ny vahoaka niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona, niaraka tamin’i Zerobabela.​—Ezr 2:2; Ne 7:7.

6. Iray tamin’ireo “lohandohany teo amin’ny vahoaka.” Nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia ny taranany, na izy mihitsy. (Ne 9:38; 10:14, 27) Mety ho izy ihany ilay No. 5.

7. Rain’ilay Zadoka nanampy an’i Nehemia tamin’ny fanamboarana indray ny mandan’i Jerosalema (455 T.K.).​—Ne 3:3, 4.