Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Banky

Banky

Noresahin’i Jesosy tao amin’ireo fanoharana momba ny talenta sy farantsa, fa nanome zanabola ho an’izay nametraka vola tao aminy ny banky. (Mt 25:27; Lk 19:23) Avy amin’ny teny italianina hoe banca (sezalava na latabatra fanisana vola) ny teny gasy hoe “banky”, izay nadika avy amin’ny teny grika hoe trapeza (a.b.t.: latabatra [Mt 15:27]). Nilazana ny latabatra fampiasan’ny mpanakalo vola koa ny hoe trapeza.​—Mt 21:12; Mr 11:15; Jn 2:15.

Nandray vola napetraka tao aminy ny mpiasan’ny banky (gr.: trapezeites), ary nanome zanabola, fa tsy hoatran’ny mpanakalo vola (gr.: kermatistes na kôllybistes) fotsiny, izay nanakalo vola mahazatra sy nanakalo vola vahiny, ka nahazo vola isaky ny nanakalo. (Jereo MPANAKALO VOLA.) Nandray vola napetraka tao aminy sy nampisambotra toy ny nataon’ny banky koa ny mpanakalo vola sasany na indraindray ny mpanankarena, ohatra hoe ny mpivarotra na ny tompona tany lehibe.

Toa efa tamin’ny andron’i Abrahama no nisy banky, satria “nampisambotra, nindrana, nitahiry vola napetraka tao aminy, ary nanome taratasy azo akana vola” ny Somerianina fahiny tany Sinara, “ary tena be pitsiny ny fomba nampiasainy.” (Ny Rakipahalalana Amerikanina, 1956, Boky III, p. 152) Natao teny akaikin’ny tempoly ny banky tany Babylona sy tany Gresy tatỳ aoriana mba tsy hisy handroba, satria noheverina ho ny zavatra masina indrindra ny tempoly.

Nifototra tamin’ny fambolena ny toe-karenan’ny Israely ka tsy dia nila banky na mpanakalo vola firy ilay firenena, tsy hoatran’ny foibe ara-barotra toa an’i Babylona sy Tyro ary Sidona. Tsy nahazo naka zanabola tamin’ny mpiray firenena taminy ny Israelita (De 23:19), nefa toa izay sahirana sy nahantra nindram-bola no tena tsy azo nakana. (Ampit. Ek 22:25; Le 25:35-37; 2Mp 4:1-7.) Azo nakana zana-bola kosa ny tsy Israelita. (De 23:20) Nomena hotehirizin’ny olona azo nitokisana ny zava-tsarobidy matetika (Ek 22:7), na koa nalevina tao anaty tany, toy ny nataon’ilay mpanompo kamo resahin’ny fanoharan’i Jesosy. (Mt 25:25; ampit. Mt 13:44.) Maro no nandevina zava-tsarobidy sy vola madinika, matoa nisy be dia be tamin’izany nofongarin’ny mpikaroka sy ny mpamboly tany Palestina.

Voateny mafy ny Israelita sasany rehefa nody avy tany Babylona, satria ireto avy no antoka notakiny tamin’ny rahalahiny sahirana izay nisambotra vola na zavatra hafa: Trano, tany, tanimboaloboka, ary ny zanak’ireny mihitsy aza. Naka zanabola 12 isan-jato isan-taona (1/100 isam-bolana) koa izy ireo. Lasan’izy ireo avy eo ny fananan’izay tsy nahaloa trosa. (Ne 5:1-11) Tsy midika anefa izany hoe tsy azo natao mihitsy ny naka zanabola. Nilaza an-kolaka mantsy i Jesosy fa azo atao ny mampiasa vola mba hahazoana zanany.​—Jereo ZANABOLA.