Bany
(Bany) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manorina”].
1. Levita taranak’i Merary, ary razamben’ilay Etana notendren’i Davida hanompo tao amin’ny tempoly.—1Ta 6:31, 44, 46.
2. Gadita anisan’ireo lehilahy maherin’i Davida.—2Sa 23:36.
3. Taranak’i Joda avy tamin’i Pereza. Nonina tao Jerosalema ny taranak’io Bany io, taorian’ny sesitany. (1Ta 9:3, 4) Lohan’ny fianakaviambe izy io, ary mety ho izy ihany ilay Bany No 4 sy No 5 na ilay No 4 sy No 6.
4. Lohan’ny fianakaviambe. Nisy 600 mahery ny taranany niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela. (Ezr 2:1, 10) Binoy no iantsoan’ny Nehemia 7:15 azy.—Jereo BANY No. 3.
5. Loham-pianakaviana. Nisy enina ny taranany nandroaka an’ireo vadiny hafa firenena mbamin’ny zanany, tamin’ny andron’i Ezra. Tsy mitovy ity Bany ity sy ilay No. 6.—Ezr 10:29, 44; jereo BANY No. 3.
6. Loham-pianakaviana teo amin’ny Israely. Toa 12 ny taranany nandroaka an’ireo vadiny hafa firenena mbamin’ny zanany, tamin’ny andron’i Ezra. Tsy mitovy ity Bany ity sy ilay No. 5.—Ezr 10:34, 44; jereo BANY No. 3.
7. Levita rain’ilay Rehoma nanampy tamin’ny fanamboarana ny simba teo amin’ny mandan’i Jerosalema tamin’ny 455 T.K. Ampitahao amin’i BANY No. 8-10, 12.—Ne 3:17.
8. Levita nanampy an’i Ezra rehefa novakina sy nohazavaina tamin’ny vahoaka ny Lalàna.—Ne 8:7; 9:4, 5; jereo BANY No. 7.
9. Ilay faharoa tamin’ireo Levita roa nantsoina hoe Bany, izay nijoro teo amin’ny lampihazo rehefa nibaboka ampahibemaso ny fahotany ny Israely, tamin’ny taona 455 T.K.—Ne 9:4.
10. Levita iray. Nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia ny taranany, na izy mihitsy.—Ne 9:38; 10:13.
11. Iray tamin’ireo “lohandohany teo amin’ny vahoaka.” Nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” tamin’ny andron’i Nehemia koa ny taranany, na izy mihitsy.—Ne 9:38; 10:14.
12. Levita taranak’i Asafa, sady rain’i Ozy mpiandraikitra ny Levita tao Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 11:22; jereo BANY No. 7.