Baraka
(Baràka) [Tselatra].
Zanakalahin’i Abinoama izay nonina tany Kedesy, tao amin’ny faritanin’i Naftaly. Niala tamin’ny fivavahana marina ny Israelita tany am-piandohan’ny fotoana nitondran’ny Mpitsara, ka navelan’i Jehovah hampahorin’i Jabina mpanjakan’i Kanana, nandritra ny 20 taona. Niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo, ka tamin’izay i Baraka no voatendry ho mpitarika azy ireo. (Mpts 4:1-3) Nirongo fiadiana ireo Kananita fahavalo, fa “tsy nahitana ampinga na lefona [kosa] teo amin’ny olona efatra alina teo amin’ny Israely.” (Mpts 5:8) Nataon’i Jehovah nandresy ny Israely tamin’ny andron’i Baraka, ary tsy hay hadinoina izany. (Sl 83:9) Mifameno ireo fitantarana roa momba izany ao amin’ny bokin’ny Mpitsara (ny toko faha-4 sy ny toko faha-5 izay misy ny hira fiderana nataon’i Debora sy Baraka), ka tena azo sary an-tsaina izay nitranga tamin’izany.
I Debora mpaminanivavy no nitsara ny Israely tamin’izay, ary nandrisika an’i Baraka izy mba hanafaka ny vahoakany. Nanaiky handeha i Baraka raha niaraka taminy i Debora. Nanaiky i Debora saingy nolazainy tamin’i Baraka fa ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan’i Jehovah an’i Sisera, lehiben’ny tafik’i Jabina.—Mpts 4:4-9.
Namory lehilahy 10 000 avy tamin’ny fokon’i Naftaly sy Zebolona ary ny foko hafan’ny Israely i Baraka ka niakatra teny amin’ny Tendrombohitra Tabara. (Mpts 4:6; 5:9-18) Raha vao nandre izany i Sisera sy ny tafiny izay nanana kalesin’ady 900 nisy lelan’antsy, dia nanatona an’ireo Israelita ka nandroso teo amin’ny lohasahan’i Kisona (teo amin’ny Lemak’i Jezirela). Zara raha nanana fitaovam-piadiana ny tafiky ny Israelita. Be herim-po anefa izy ireo nidina ny Tendrombohitra Tabara rehefa notarihin’i Baraka, ka vonona ny hiady tamin’ireo Kananita nirongo fiadiana. Tampoka teo, dia lasa nisy riaka be teo amin’i Kisona ka tsy afa-nihetsika ny kalesin’ny fahavalo. Marina tokoa fa “avy tany an-danitra ny kintana no niady tamin’i Sisera, avy tamin’ny lalana arahiny ireny no niady taminy. Nopaohin’ny riakan’i Kisona ireny.” Nohararaotin’i Baraka sy ny olony izany, ka hoy ilay fitantarana: “Lavon’ny lelan-tsabatra ny miaramila [an’i Sisera] rehetra, ary tsy nisy niangana na iray aza.”—Mpts 5:20-22; 4:10-16.
Latsaka an-katerena ny tafik’i Sisera ka navelany teo niaraka tamin’ny kalesiny, fa izy kosa nandositra tany amin’ny tranolain’i Jaela vadin’i Hebera Kenita izay tsara fihavanana tamin’i Jabina. Noraisin’i Jaela tsara izy, ka rehefa resin-tory dia natsatok’i Jaela teo amin’ny fihirifany ny fantsika be fanenjanan-day mandra-piboroakany tamin’ny tany, ka maty i Sisera. Rehefa tonga i Baraka dia nampandrosoin’i Jaela tao an-day, ka hitany fa tanteraka ny tenin’i Jehovah hoe: “Eo an-tanam-behivavy no hivarotan’i Jehovah an’i Sisera.” (Mpts 4:17-22; 5:24-27) Taorian’io fandresena io dia “nihamafy foana ny fanafihan’ny zanak’Israely an’i Jabina mpanjakan’i Kanana, mandra-pamonony an’i Jabina.” “Tsy nisy korontana intsony” àry teo amin’ny tanin’ny Israely “nandritra ny efapolo taona.”—Mpts 4:23, 24; 5:31.
Voatonona ho anisan’ireo olona tsy nivadika “izay nanam-pinoana ka nandresy fanjakana” i Baraka, sady “tonga mpiady mahery fo, ary nampandositra ny tafiky ny hafa firenena.”—He 11:32-34.
Mety ho i Baraka ihany ilay Bedana resahin’ny 1 Samoela 12:11 (raha ny LXX sy ny Sy no arahina).—Jereo BEDANA No. 1.