Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Barakia

Barakia

(Barakìa) [Nitahy i Jehovah].

Rain’ilay Zakaria, izay novonoina “teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.”​—Mt 23:35; Lk 11:50, 51.

Tsy misy an’ilay teny hoe “zanak’i Barakia” ao amin’ny fitantaran’i Lioka, sy ny fitantaran’i Matio ao amin’ny Kôdeksa Sinaiticus (nataon’ireo mpanao dika soratra tany am-boalohany). Misy milaza àry fa mety ho nanana anarana roa ny rain’ilay Zakaria novonoina ho faty. Misy olon-kafa nanana anarana roa toy izany koa mantsy ao amin’ny Baiboly.​—Ampitahao Mt 9:9 sy Mr 2:14; Mt 10:2, 3.

Eken’ny maro fa i Zakaria “zanak’i Joiada mpisorona” ilay Zakaria noresahin’i Jesosy. (2Ta 24:20-22) Ny bokin’ny Tantara mantsy no voatanisa farany ao amin’ireo boky eken’ny Jiosy ho anisan’ny Soratra Masina, ka izany no nilazana hoe i Zakaria no olo-marina farany novonoina ho faty, ao amin’ny Soratra Hebreo, fa i Abela no voalohany. Milaza ny 2 Tantara 24:21 fa novonoina “teo an-tokotanin’ny tranon’i Jehovah” i Zakaria. Tao amin’ny tokotany anatiny no nisy ny alitaran’ny fanatitra dorana, izany hoe teo anoloan’ny fidirana amin’ny toerana masina. Mifanaraka tsara amin’ilay tenin’i Jesosy hoe “teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara” izany.

Efa voalaza fa mbola hovaliana ny nandatsahana ny ran’i Abela sy Zakaria. (Ge 4:10; 2Ta 24:22) Mitovitovy ny toe-javatra nisy tamin’ny andron’i Zakaria zanak’i Joiada, sy tamin’ny andron’ilay taranaka niresahan’i Jesosy. Hoy i Zakaria rehefa ho faty: “Hojeren’i Jehovah anie izao ka hovaliany!” Tsy ela dia tanteraka ny teniny: Miaramila syrianina vitsy fotsiny no nanafika, nefa natolotr’i Jehovah teo an-tanan’izy ireo ny miaramilan’ny Joda be dia be, ka ripaka ireo andrianan’ny Joda sady nobaboina ny fananany. Nampiharin’ny Syrianina tamin’i Joasy ny didim-pitsaran’i Jehovah, ka navelany tao anatin’ny aretina mafy izy. Novonoin’ny mpanompony izy, taorian’izay. (2Ta 24:23-25) Hoy i Jesosy, rehefa avy nanazava fa meloka ho nandatsa-dra ireo niresahany: “Hanody an’ity taranaka ity izany rehetra izany.” (Mt 23:36) Tanteraka tamin’i Jerosalema sy Jodia tamin’ny taona 70-73 ny faminanian’i Jesosy.