Bararata
[Heb.: kaneh; gr.: kalamôs].
Zavamaniry iray karazana amin’ny bararata maniry eny amoron-drano. (Jb 40:21; Sl 68:30; Is 19:6; 35:7; jereo HAREFO, FANTÀKAMANITRA.) Arundo donax ilay “bararata” resahin’ny andininy maro, hoy ny manam-pahaizana sasany. Fahita any Ejipta, Palestina, ary Syria izy io. Mahatratra 2,5 ka hatramin’ny 5,5 m ny haavony, 5 ka hatramin’ny 8 sm ny savaivon’ny tahony eo amin’ny fotony, ary 30 ka hatramin’ny 90 sm ny lavan’ny raviny. Toy ny salohim-bary ireo voninkazony fotsy eny an-tendrony. Hita eny amin’ny heniheny sy eny amoron’ny renirano any Israely koa ny bararata Phragmites australis. Ahitra be raviny izy io, henjana malamalama ny tahony, ary 1,5 ka hatramin’ny 5 m ny haavony. Misy voninkazo toy ny salohim-bary eny an-tendrony.
Nesoin’ny miaramila romanina i Jesosy ka nasiany bararata teny an-tanany havanana ho toy ny tehim-panjakana, hono. Nikapohany azy ilay izy avy eo. Bararata nisy spaonjy vonton’ny divay marikivy no natohoka tamin’ny vavan’i Jesosy, rehefa teo amin’ny hazo fijaliana izy.—Mt 27:29, 30, 48; Jn 19:29; jereo HYSOPA.
Natao fandrefesana koa ny bararata. Nirefy enina hakiho ilay resahin’ny Ezekiela 40:5, ka 2,67 m ilay izy raha hakiho mahazatra ilay hakiho, fa 3,11 m kosa raha hakiho lava.—Ap 11:1; 21:15, 16; jereo LANJA SY REFY.
Heviny an’ohatra. Ilazana zavatra mangozohozo sy marefo ny bararata. (1Mp 14:15; Ezk 29:6, 7) Toy ny bararata torotoro misy tahony maranitra izay hanindrona ny tanan’ireo mitehina aminy i Ejipta. (2Mp 18:21; Is 36:6) Hoy i Jesosy momba an’i Jaona Mpanao Batisa: “Hijery inona no nivoahanareo nankany an-tany efitra? Bararata ahetsiketsiky ny rivotra ve?” (Mt 11:7) Te hilaza angamba izy hoe tsy olona nisalasala na niroa saina i Jaona fa olona matotra, nijoro tamin’ny heviny, ary nanao ny marina. Toa ilazana olona nampahorina, toy ilay lehilahy maty tanana nositranin’i Jesosy tamin’ny Sabata, ny hoe “bararata folaka.”—Mt 12:20; Is 42:3; Mt 12:10-14; jereo Mt 23:4; Mr 6:34.