Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bareda

Bareda

(Barèda) [Havandra].

1. Zafikelin’i Efraima avy tamin’i Sotela.​—1Ta 7:20.

2. Toerana any amin’ny faritra atsimon’i Palestina, ary voaresaka ao amin’ny tantaran’i Hagara tamin’izy nandositra an’i Saray. Tany an-tany efitra, teo anelanelan’i Bareda sy Kadesy no nisy an’ilay lavadranon’i Bera-lahai-roy, toerana nijanonan’i Hagara teo amin’ny lalana mankany Sora. (Ge 16:7, 14) Any atsimoandrefan’i Filistia no misy ny tany efitr’i Sora, any amin’ny lalana mankany Ejipta. Mety hidika izany fa nitodi-doha niverina tany an-tanindrazany i Hagara.​—Ek 15:22.