Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Barnabasy

Barnabasy

(Barnabàsy) [Zanaky ny Fampiononana].

Kristianina nalaza tamin’ny taonjato voalohany. Miresaka azy voalohany i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:34-36. Voalaza ao fa mpivavaka be io lehilahy io, ary Levita sy teratany avy any amin’ny nosy Sipra. Tany Jerosalema anefa izy ao amin’ilay fitantarana. Taoriana kelin’ny Pentekosta, dia maro be ireo tonga mpino, nivarotra ny taniny sy ny tranony ary nanome ny vidiny ho an’ny apostoly, mba hampandrosoana ny asa nataon’ny Kristianina. Anisan’ireo nanao izany koa i Barnabasy. Josefa no anarany fa ny apostoly no niantso azy hoe Barnabasy, izay midika hoe “Zanaky ny Fampiononana.” Fanaon’ny olona tamin’izany ny nanome anarana ny olona iray arakaraka ny toetrany.

Tena be fitiavana sy nalala-tanana izy, sady tia nanolo-tena sy vonona hanome ny fananany mba hampandrosoana ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana. Faly erỳ izy “nanampy” an’ireo rahalahiny (As 9:27), ary rehefa nisy olona vaovao tonga mpino, dia “faly” koa izy”, ka “nampahery ny rehetra izy mba hifikitra foana amin’ny Tompo amin’ny fony manontolo.” “Lehilahy tsara fanahy sy feno fanahy masina ary be finoana” i Barnabasy. (As 11:23, 24) Mpaminany izy sady mpampianatra tany Antiokia. (As 13:1) Rehefa niresaka momba azy ny apostoly, dia nilaza azy ho anisan’ireo “rahalahy malalantsika”, izay “nanao vivery ny ainy ho an’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (As 15:25, 26) Azo lazaina hoe apostoly izy, na dia tsy anisan’ireo 12 lahy aza (As 14:14), satria “nirahin’ny fanahy masina” koa izy.​—As 13:4, 43.

Nifandray akaiky nandritra ny taona maro i Barnabasy sy Paoly. Nanomboka nifanerasera izy ireo, telo taona teo ho eo taorian’ny niovan’i Paoly ho Kristianina, rehefa te hifandray tamin’ny fiangonana tany Jerosalema i Paoly. Tsy voalaza ny fomba nihaonan’izy ireo. I Barnabasy anefa no nampifankahalala an’i Paoly tamin’i Petera sy Jakoba mpianatr’i Jesosy.​—As 9:26, 27; Ga 1:18, 19.

Nisy Jiosy niteny grika avy tany Sipra sy Kyrena nitory tany Antiokia any Syria, ka maro no lasa liana tamin’ny Fivavahana Kristianina. Naniraka an’i Barnabasy hankany Antiokia àry ny filan-kevi-pitantanana tao Jerosalema, mba hampahery sy hanatanjaka an’ireo olona vao tonga mpino ireo. Nety tsara ny nifidianana azy hamita an’ilay iraka, satria teratany avy any Sipra izy sady niteny grika. “Olona maro be no nanampy isa ny vahoakan’ny Tompo” tany Antiokia, ka nankany Tarsosy haingana i Barnabasy ary nandresy lahatra an’i Paoly mba hiaraka aminy hanampy azy amin’ny fanompoana. Tamin’izay no nisy fampitandremana avy tamin’Andriamanitra hoe hisy mosary ho avy. Nanangona fanomezana ho an’ny fiangonana tany Jerosalema àry ny tany Antiokia, ka rehefa tonga tokoa ilay mosary dia nampitondraina an’i Barnabasy sy Paoly ilay fanomezana.​—As 11:22-24, 27-30; 12:25.

Rehefa avy nanatitra an’ilay fanampiana izy mirahalahy dia niverina tany Antiokia tamin’ny taona 47 tany ho any. Tany izy ireo no notendrena hanao ny asa misionera, araka ny fitarihan’ny fanahy masina. Nankany Sipra aloha izy ireo. Nitory ny fahamarinana tamin’i Sergio Paolo governoram-paritra izy ireo tany. Namakivaky ny afovoan’i Azia Minora izy ireo avy eo, ka niharan’ny fanenjehana nivaivay indraindray. Nanasitrana lehilahy iray nalemy hatrany an-kibon-dreniny izy ireo, indray mandeha, tany Lystra. Saika tsy vitan’izy ireo ny nisakana “ny olona tsy hanao sorona ho azy” (noheveriny ho ilay andriamanitra nantsoina hoe Zeosy mantsy i Barnabasy, fa noheveriny ho i Hermesy na Merkory kosa i Paoly satria izy no “niteny”). Avy hatrany anefa dia “nandresy lahatra ny vahoaka ny Jiosy ... ka nitora-bato an’i Paoly sady nitaritarika azy ho eny ivelan’ny tanàna.”​—As 13:1-12; 14:1-20.

Nankany amin’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema i Barnabasy sy Paoly (t. taona 49) mba handamina an’ilay adihevitra hoe tokony hoforana ve ny tsy Jiosy. Rehefa voalamina ilay izy, dia niverina haingana tany Antiokia izy ireo, ary niomana ny hanao ny dia misionera manaraka. (As 15:2-36) Tsy nifanara-kevitra anefa izy ireo momba ny hitondrana an’i Jaona Marka, ka samy nanana ny faritany nandehanany. I Barnabasy nankany Sipra nitondra an’i Marka, zanak’olo-mpiray tam-po taminy. I Paoly kosa niaraka tamin’i Silasy, namakivaky ny faritr’i Syria sy Kilikia. (As 15:37-41) Tapitra hatreo ny fitantarana momba an’i Barnabasy ao amin’ny Baiboly. Miresaka kely momba azy ihany anefa i Paoly any amin’ny taratasiny sasany.​—1Ko 9:6; Ga 2:1, 9, 13; Kl 4:10.