Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Baroka

Baroka

(Baròka) [Tahiana].

1. Mpanora-dalàna sady mpitan-tsoratr’i Jeremia. Zanakalahin’i Neria i Baroka ary rahalahin’i Seraia. Io Seraia io no mpiandraikitra ny sakafon’ny miaramilan’i Zedekia, ary izy ilay namaky ny horonam-bokin’i Jeremia teo amoron’ny Reniranon’i Eofrata.​—Je 32:12; 51:59-64.

Tamin’ny taona fahefatra (625 T.K.) nanjakan’i Joiakima no nanomboka nanoratra ny faminaniana momba ny loza hanjo an’i Jerosalema i Baroka. I Jeremia no nanonona izany taminy, ary izy kosa no nanoratra tao amin’ny horonam-boky. Tamin’ny faramparan’ny fararanon’ny taona nanaraka (624 T.K.), dia novakin’i Baroka “tamin’ny olona rehetra”, teo amin’ny fidirana tamin’ny tranon’i Jehovah, ilay horonam-boky. Nantsoina mba hamaky an’ilay izy teo anatrehan’ny andriana rehetra izy, taorian’izay. Nanohina ny fon’izy ireo ny zavatra reny. Natahotra anefa izy ireo hoe inona no hitranga raha mandre izany koa ny mpanjaka, ka nasainy niafina i Baroka sy Jeremia. Ren’i Joiakima tokoa ny fanamelohana tao amin’ilay horonam-boky ka notapatapahiny sy nodorany ilay izy, ary nanome baiko izy mba hoentina eo anatrehany i Baroka sy Jeremia. “Nafenin’i Jehovah anefa izy roa lahy.” Nanoratra horonam-boky toa an’ilay voalohany indray i Baroka, saingy nisy ‘teny maro hafa fanampiny’ avy tamin’i Jehovah koa nosoratana tao. Mbola i Jeremia ihany no nanonona izay tokony hosoratany.​—Je 36:1-32.

Enina ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, dia nividy tany tamin’ny zanaky ny rahalahin-drainy i Jeremia, ary nanao taratasy fifampivarotana izy ireo. Tamin’ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia izany, ary volana vitsivitsy monja talohan’ny nandravana an’i Jerosalema. Nalain’i Baroka ireo taratasy ireo, ary nataony tao anaty vilany tany mba tsy ho simba.​—Je 32:1, 9-16.

Tamin’i Baroka nanoratra an’ilay horonam-boky voalohany, dia nisy fotoana izy nitaraina hoe sasatra. Nampitandrina azy i Jehovah hoe: ‘Aza mikatsaka zavatra lehibe ho anao intsony.’ Noho izy tsy nivadika anefa, dia nampanantena i Jehovah fa hiaro azy ‘any amin’ny toerana rehetra halehany’, izany hoe nandritra an’ilay fahirano nahatsiravina tao Jerosalema, sy rehefa noteren’ny Jiosy mpikomy hidina tany Ejipta izy sy Jeremia.​—Je 45:1-5; 43:4-7.

2. Zanakalahin’i Zabay. Rehefa nanorina indray ny mandan’i Jerosalema i Nehemia, dia “nazoto be” nanampy azy i Baroka. (Ne 3:20) Mety ho izy ihany ilay No. 3.

3. Mpisorona iray nanisy tombo-kase ny “fianianana” nataon’i Nehemia. Mety ho iray tamin’ny taranany koa anefa no nanao izany. (Ne 9:38; 10:1, 6, 8) Raha i Baroka mihitsy no nanisy tombo-kase an’ilay fianianana, dia mety ho izy ihany ilay No. 2.

4. Ray na razamben’ilay Mahaseia nonina tao Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia. Taranak’i Joda i Baroka.​—Ne 11:4-6.