Barsabasy
(Barsabàsy).
Mety ho anaram-pianakaviana, na fanampin’anaran’ny olona roa: I Josefa, ilay nantsoina hoe Josto, izay tsy voafidy ho apostoly ho solon’i Jodasy Iskariota; sy ilay Jodasy niaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy ary Silasy avy tany Jerosalema nankany Antiokia (t. taona 49). Tsy misy porofo anefa hoe mpirahalahy izy ireo.—As 1:23; 15:22; jereo JODASY No. 7; JOSEFA No. 11.