Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Basa

Basa

(Bàsa).

Mpanjaka fahatelo teo amin’ny foko folon’ny Israely. Zanak’i Ahia avy amin’ny fokon’i Isakara izy, avy amin’ny fianakaviana tsotsotra. Naka an-keriny ny fitondrana izy ka novonoiny i Nadaba, mpanjaka talohany. Novonoiny daholo avy eo ny ankohonan’i Jeroboama manontolo, araka ny efa nolazain’ny faminaniana. (1Mp 15:27-30; 14:10) Mbola nampirisika ny olona hivavaka tamin’ilay zanak’omby natsangan’i Jeroboama anefa i Basa, ka nilaza i Jehovah fa hofongorana ny ankohonany. (1Mp 16:1-4) Niady tamin’ny fokon’i Joda izy, ka nampirisihin’i Asa hamely azy avy any avaratra ny mpanjakan’i Syria. Nopotehin’i Asa tanteraka avy eo ny tanàna voaro mafin’i Rama, izay naorin’i Basa. (1Mp 15:16-22; 2Ta 16:1-6; jereo ASA, I No. 1 [Nanao tetika sy niady tamin’i Basa].) Nanjaka teo anelanelan’ny 975 T.K. sy 953 T.K. tany ho any i Basa dia maty, ka nalevina tao Tirza renivohi-panjakany. Lasa mpanjaka i Elaha zanany, tamin’ny taona faha-26 nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. (1Mp 16:8) Tamin’ny taona faha-27 nanjakan’i Asa (1Mp 16:15) kosa no nikomy i Zimry, ka nandripaka ny ankohonan’i Basa. Tanteraka àry ny didim-pitsaran’i Jehovah.