Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Batseba

Batseba

(Batsèba) [Zanakavavin’ny Harem-be; mety hidika hoe Zanakavavy [Teraka Tamin’ny Andro] Fahafito].

Zanakavavin’i Eliama (Amiela, 1Ta 3:5); mety ho zafikelin’i Ahitofela. (2Sa 11:3; 23:34) Vadin’i Oria Hetita, lehilahy maherin’i Davida, izy tamin’ny voalohany. Nanambady an’i Davida anefa izy tatỳ aoriana, rehefa voarohirohy tamin’ilay raharaha anisan’ny ratsy indrindra teo amin’ny fiainan’i Davida.​—2Sa 23:39.

Indray takarivan-dohataona, dia nandro i Batseba, ka tazan’i Davida Mpanjaka avy teo an-tampon’ny lapany, izay tsy lavitra teo. Voalaza fa “tena tsara tarehy ilay vehivavy.” Nirongatra ny fanirian’i Davida hanao firaisana, ka raha vao fantany fa tany an’ady i Oria vadin’i Batseba, dia nampanalainy ravehivavy ary nanao firaisana taminy izy. “Lasa nody tany an-tranony” i Batseba avy eo. Nampilazainy i Davida, taoriana kelin’izay, fa bevohoka izy. Nataon’i Davida àry izay hatorian’i Oria niaraka tamin’ny vadiny mba hanarontsaronana ny nakany an’ilay vadin’olona. Tsy nahomby anefa ilay tetika ka nataon’ilay mpanjaka izay hahafaty an’i Oria tany an’ady. Raha vao afa-tsaona i Batseba dia nalain’i Davida ho vady, ary niteraka an’ilay zaza.​—2Sa 11:1-27.

“Ratsy teo imason’i Jehovah anefa ny zavatra nataon’i Davida.” Nanarin’i Natana mpaminany àry ilay mpanjaka ka nampiasa fanoharana izy. Nohariny tamin’ny “ondrivavy kely iray” i Batseba. Fananan’ny lehilahy mahantra iray (Oria) izy io, fa nalain’ny lehilahy mpanankarena iray (Davida) mba ho an’ny vahininy. Nalahelo be i Davida ka nibebaka. (Sl 51) Maty anefa ilay zaza azo tamin’ny fijangajangana, ary tsy voalaza ny anarany. (Jereo DAVIDA.) Mbola nisy fahoriana hafa koa nanjo an’i Davida tatỳ aoriana noho ny fahotany, satria nanao firaisana tamin’ny vadikeliny i Absaloma zanany lahy.​—2Sa 11:27–12:23; 16:21, 22.

Nampionona an’i Batseba ilay vadiny efa nibebaka. Imbetsaka i Batseba no niantso azy hoe: “Tompoko”, toy ny niantsoan’i Saraha ny vadiny. (1Mp 1:15-21; 1Pe 3:6) Rehefa nandeha ny fotoana dia nitera-dahy taminy i Batseba. Solomona no anaran’ilay zaza, ary tia sy nitahy azy i Jehovah. (2Sa 12:24, 25) Nanan-janakalahy telo hafa koa i Batseba: I Simea sy Sobaba ary Natana. Io Natana io no razamben’i Maria renin’i Jesosy. I Solomona kosa no razamben’i Josefa. Samy taranak’i Batseba sy Davida àry ny ray aman-drenin’i Jesosy teto an-tany.​—1Ta 3:5; Mt 1:6, 16; Lk 3:23, 31.

Voaresaka indray i Batseba rehefa nadiva hifarana ireo 40 taona nanjakan’i Davida. Efa nianiana taminy i Davida hoe: “I Solomona zanakao lahy no ho mpanjaka handimby ahy.” Nitady handrombaka ny seza fiandrianana anefa i Adonia, zokin’i Solomona hafa reny, taloha kelin’ny hahafatesan’i Davida. Nasain’i Natana mpaminany nampahatsiahivin’i Batseba an’i Davida àry ilay fianianana nataony. Napetrak’i Davida avy hatrany teo amin’ny seza fiandrianana i Solomona, ka lasa andriambavy i Batseba.​—1Mp 1:5-37.

Rehefa tafaorina tsara ny fitondran’i Solomona, dia niseho teo anatrehany i Batseba mba hilaza taminy ny fangatahan’i Adonia. “Nitsangana hitsena azy avy hatrany” i Solomona, “ka niankohoka”, ary nasainy nasiana seza fiandrianana iray koa ho an-dreniny, “mba hipetrahan-dreniny teo ankavanany.” Hita tamin’ilay fangatahan’i Batseba anefa ny teti-dratsin’i Adonia, ka nasain’i Solomona novonoina i Adonia.​—1Mp 2:13-25.