Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bebay

Bebay

(Bebày).

1. Lohan’ny fianakaviambe izy, ary nisy 600 mahery ny taranany niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2, 11; Ne 7:16) Nisy taranany 29 hafa koa niaraka tamin’i Ezra tamin’ny 468 T.K. (Ezr 8:11) Nanambady vehivavy hafa firenena ny efatra tamin’ireo tonga voalohany. Nandroaka an’ireny anefa izy ireo, noho ny fampirisihan’i Ezra.​—Ezr 10:28, 44.

2. Lehilahy nitana andraikitra lehibe, na solontenan’ny taranak’i Bebay No. 1. Anisan’ireo nanisy tombo-kase an’ilay fianianana ny tsy hivadika amin’i Jehovah izy, tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 9:38; 10:1, 15.