Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Behemota

Behemota

(Behemòta).

Heverina fa 1) avy amin’ny teny ejipsianina midika hoe “omby rano” ny hoe “Behemota” (Jb 40:15, f.a.p.), na 2) toa avy amin’ny teny asyrianina midika hoe “biby goavam-be”, na 3) teny hebreo amin’ny endriny milaza maro fanamafisana ny hoe behemah (biby; biby fiompy) izay toa midika hoe “biby lehibe” na “biby ngezabe.” Nadikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe teria (ireo bibidia) ny hoe behemôht (heb.). Biby iray anefa izy io matoa biby tokana fa tsy maromaro ilay Behemota resahin’ny Baiboly, izay heverina fa ny hipopotama (Hippopotamus amphibius) na lalomena. Misy àry Baiboly milaza fa “hipopotama” (TV; Prot., f.a.p.) na “lalomena” (DIEM; FFBF, f.a.p.; DPV, f.a.p.) ilay biby noresahin’Andriamanitra.

Biby ngezabe mampinono, matevin-koditra ary zara raha misy volo ny hipopotama. Renirano, farihy ary heniheny no falehany. Fohy ny tongony, ary ngezabe ny valanoranony sy ny lohany (mety hahatratra iray taonina, hono). Matanjaka be ny valanoranony sy nifiny, ka loaka ny hodi-boay raha kaikeriny indray mandeha monja. Mety ho 4 ka hatramin’ny 5 m ny lavany rehefa lehibe izy, ary mety hahatratra 3600 kg ny lanjany. Velona an-tanety sy anaty rano izy, ary afaka mitsoriaka ao anaty rano sy eny ivelany na dia goavana aza. Zavamaniry anaty rano, ahitra, bararata, ary kirihitra malemy no sakafony, ka mandevona zava-maitso 90 kg mahery isan’andro ny vavoniny (mahalany 150-190 L).

Mafy be ny hodiny, indrindra eo amin’ny kibony, ka tsy mampaninona azy ny voadona na voarangotry ny hazo madinika sy vato rehefa mandeha ao anaty rano. Eo an-tampon-kandriny ny masony, sady ambony tsara koa ny vavorony, ka afaka miaina sy mahita izy na dia efa saika ao anaty rano tanteraka aza. Mikatona ny sofiny sy vavorony rehefa milentika izy. Mipoitra ho azy avy ao anaty rano izy mba hifoka rivotra rehefa betsaka ny gazy karbonika ao anaty rany, na dia matory aza izy. Misitrika ao anaty rano indray izy avy eo.

Saika nisy hipopotama daholo ny farihy sy renirano lehibe tany Afrika fahiny, saingy faritra maro izao no tsy misy azy intsony satria tapitra nohazain’ny olona izy io. Tsy fantatry ny olona tany avaratry ny riandrano ao Khartoum, any Soudan, hono, izy io. Mety ho fahita teny amoron’i Jordana koa izy io fahiny, ary nahitana vanginy sy taolany, hono, tany amin’ny faritra samihafa tany Palestina.

Mahavariana ny fitantaran’ny Joba toko faha-40 momba ny Behemota. Resahiny fa mihinana ahitra (and. 15) io biby ngezabe io, ary eo amin’ny tehezany sy hoza-kibony ary hoza-damosiny ny hery sy tanjany (and. 16). Toy ny hazo sedera ny rambony, angamba noho ilay izy azony atsangana mahitsy na akipilipily toy ny hazo, satria somary fohy (46-51 sm eo ho eo) ilay izy. “Mifampidipiditra” sy miolanolana toy ny tady mahazaka lehibe “ny hoza-peny.” (And. 17) Mafy toy ny “fantsona varahina” ny taolam-peny ka mahazaka ny vatabeny. Toy ny bara vy koa ny taolany sy taolan-tehezany. (And. 18) Resahina an-kolaka hoe mihinam-be izy. (And. 20) Maka aina eny ambany hazo lamoty izy, na miafina eny amin’ny heniheny eo ambany aloky ny hazo aravaha. (And. 21, 22) Tsy mikoropaka izy na tondraka aza ny renirano, satria afaka mamoaka ny lohany eny ivelan’ny rano sy milomano manohitra an’ilay rano be izy. (And. 23) Hoy i Jehovah tamin’i Joba: ‘Iza àry no olona sahy hiady amin’io Behemota matanjaka be io sy hanagorobaka ny orony amin’ny faraingo?’​—And. 24.