Bekera
(Bekèra) [Ramevalahy Tanora].
1. Zanak’i Benjamina. Ny anarany no voatonona faharoa amin’ireo zanakalahin’i Benjamina ao amin’ny lisitry ny taranak’i Jakoba ao amin’ny Genesisy toko faha-46. (Jereo Ge 46:21; 1Ta 7:6.) Tsy ao amin’ny tetirazana voalazan’ny Nomery 26:38 sy 1 Tantara 8:1, 2 ny anaran’i Bekera. Lazain’ny 1 Tantara 7:8, 9 fa “lehilahy natanjaka sy nahery fo” 20 200 no taranak’i Bekera avy tamin’ireo zanany sivy lahy izay samy lohan’ny fianakaviambe.
2. Lohan’ny fianakavian’ny Bekerita (Bekrita, Kat.) avy amin’ny fokon’i Efraima.—No 26:35.