Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bela, I

Bela, I

(Bèla).

1. Lahimatoan’i Benjamina, ary anisan’ny ankohonan’i Jakoba “niaraka taminy nankany Ejipta.” Izy no lasa lohan’ny fianakavian’ny Belita.​—Ge 46:8, 21, 26; No 26:38; 1Ta 7:6; 8:1-5.

2. Zanakalahin’i Beora. Izy no voatonona voalohany tamin’ireo mpanjakan’i Edoma. Ela be talohan’ny nisian’ny mpanjaka teo amin’ny Israely, dia efa nanjaka tao Dinaba renivohiny izy.​—Ge 36:31, 32; 1Ta 1:43.

3. Zanakalahin’i Azaza avy amin’ny fokon’i Robena.​—1Ta 5:3, 8.

4. Toa anarana hafa niantsoana ny tanànan’i Zoara fahiny. Voatonona miaraka amin’ireo tanàna hafa teny amin’ny lemaka izy io ao amin’ny Genesisy 14:2, 8.​—Jereo ZOARA No. 2.