Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bela, II

Bela, II

[avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “Tompo”].

Andriamanitra babylonianina voalaza mialoha fa hietry rehefa rava i Babylona.​—Is 46:1; Je 50:2; 51:44.

Ilay andriamanitra Enlil no natao hoe Bela taloha. Andriamanitra somerianina telo mitambatra i Bela sy Anou ary Enki (Ea) tany am-boalohany. Nantsoina hoe Bela koa i Mardoka (Merodaka) rehefa izy no lasa andriamanitra lehibe indrindran’i Babylona.​—Jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY (Andriamanitry ny Babylonianina).

Nindrahindraina be i Bela. Tsy mahagaga àry raha nilaza ny mpaminanin’i Jehovah hoe ho anisan’ireo andriamanitra haetry izy rehefa resy i Babylona. Efa ho 200 taona talohan’ny nandresen’ny Medianina sy Persianina an’i Babylona i Isaia no naminany fa hiondrika i Bela ary hiforitra i Nebo, satria ho resy ka afa-baraka. Hoentin’ny bibidia sy ny biby mpitondra entana ny sampiny, satria tsy ho afa-mandeha. Tsy ho afa-mandositra i Bela sy Nebo, fa ho lasa babo tokoa. (Is 46:1, 2; jereo koa Je 50:2.) Hasain’i Jehovah haloan’ny vavan’i Bela izay efa nateliny. Toy ny hoe natelin’i Bela mantsy izay resin’ny mpivavaka taminy, satria izy no nomen’izy ireo voninahitra. Ny vahoakan’i Jehovah natao sesitany indrindra no tsy maintsy hafahany, ary tsy maintsy haveriny ireo fitaovana masina tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Nirohotra nandeha nivavaka tamin’i Bela sy nitolo-batana tamin’ny mpivavaka taminy ireo firenena resin’i Babylona, toy ny hoe i Bela no andriamanitra lehibe indrindra eran’izao tontolo izao. Tsy hanao izany intsony anefa izy ireo.​—Je 51:44; jereo MERODAKA.