Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Belsazara

Belsazara

(Belsazàra) [avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “Arovy ny Ainy”; na mety hidika hoe “Hiaro ny Mpanjaka [Anie] i Bela”].

Lahimatoan’i Nabonida, ary niara-nanjaka taminy rehefa hifarana ny Fanjakana Babylonianina. I Daniela mpaminany ihany no niresaka momba azy ao amin’ny Baiboly, ary niantso azy hoe “mpanjakan’i Babylona.” Ireo mpitsikera Baiboly kosa tsy nanaiky nandritra ny taona maro hoe mpanjaka izy. (Da 5:1, 9; 7:1; 8:1) Nisy soratra tranainy hitan’ny mpikaroka anefa tatỳ aoriana, manaporofo fa marina ny fitantaran’ny Baiboly.

Resahin’ny Daniela 5:2, 11, 18, 22 hoe ‘rain’i’ Belsazara i Nebokadnezara, ary ‘zanak’i’ Nebokadnezara i Belsazara. Manazava ny boky iray fa angamba i Nitokrisy zanak’i Nebokadnezara (II) no renin’i Belsazara. (Nabonida sy Belsazara, nataon’i R. Dougherty, 1929) Raha izany no izy, dia raiben’i Belsazara i Nebokadnezara. (Mitovitovy amin’izany ny hevitry ny hoe ‘ray’ ao amin’ny Ge 28:10, 13.) Tsy ny manam-pahaizana rehetra anefa no afa-po amin’izany fanazavana izany. Angamba ‘rain’i’ Belsazara fotsiny i Nebokadnezara, amin’ny heviny hoe mpanjaka talohany izy. Ny Asyrianina koa niantso an’izay nandimby an’i Omry hoe “zanak’i Omry.”​—Jereo OMRY No. 3.

Porofoin’ny tantara ve fa nitondra an’i Babylona tokoa i Belsazara?

Hita ny takelaka tanimanga iray misy soratra miendri-pantsika, natao tamin’ny taona naha lasa mpanjakan’i Babylona an’i Neriglisara, izay nandimby an’i Avila-mardoka (Evila-merodaka). Resahin’izy io fa ny lehilahy iray atao hoe Belsazara no nisolo tena ny mpanjaka, rehefa nisy resa-bola. Mety ho ilay Belsazara resahin’ny Baiboly izy io, na dia tsy misy porofon’izany aza. Navoaka boky tamin’ny 1924 ny dikan’ny soratra miendri-pantsika tranainy iray, ary nomena lohateny hoe “Tononkalo Momba An’i Nabonida.” Sarobidy ny fanazavana raketin’izy io, satria manaporofo fa mpanjaka tao Babylona i Belsazara. Hazavainy koa hoe ahoana no nahatonga azy hiara-manjaka tamin’i Nabonida. Hoy izy io momba ny nandresen’i Nabonida ny tanànan’i Tema, tamin’ny taona fahatelo nanjakany: “Nankininy tamin’ny lahimatoany [Belsazara] ilay ‘Toby’, ary nasainy nanaiky (ny baikon’izy io) ny miaramila rehetra tao amin’ny taniny. Navelany ho azy (ny zava-drehetra), nankininy taminy ny fanjakana, ary lasa izy [Nabonida] nandeha lavitra niaraka tamin’ny tafik’i Akada. Niankandrefana (be) nankany Tema izy.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 313) Nanjaka tokoa àry i Belsazara nanomboka tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Nabonida, ary azo inoana fa tamin’izay ilay noresahin’i Daniela hoe “ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara mpanjakan’i Babylona.”​—Da 7:1.

Varingarina tao ambanin’ny fototry ny tempoly babylonianina, ahitana ny anaran’i Nabonida Mpanjaka sy Belsazara zanany

Noresahin’ny Tantaran’i Nabonida ny zava-nitranga tamin’ny taona faha-7, faha-9, faha-10 ary faha-11 nanjakan’i Nabonida. Hoy izy io: “Tany Tema ny mpanjaka, (fa) tany Akada [Babylonia] (kosa) ny printsy sy ireo manamboninahitra ary ny tafiny.” (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. K. Grayson, 1975, p. 108) Toa tsy tao Babylona matetika àry i Nabonida. Tsy niala tsy ho mpanjaka akory izy, fa i Belsazara zanany no nomeny fahefana hiandraikitra ny raharaham-panjakana tamin’izy tsy teo. Izany no porofoin’ny soratra maromaro hita tao amin’ny arisiva fahiny, izay milaza fa nanan-jo toy ny mpanjaka i Belsazara, ka namoaka didy sy baiko. Hita tamin’ireo soratra sy didy sasany fa nosahaniny ny andraikitra tokony ho niantsorohan’i Nabonida Mpanjaka raha teo izy. Nitana ny toerana faharoa fotsiny anefa i Belsazara. Izany no nahatonga azy hilaza tamin’i Daniela fa hataony ‘mpitondra fahatelo teo amin’ny fanjakana’ izy.​—Da 5:16.

“Printsy handova ny mpanjaka” no anaram-boninahitr’i Belsazara ao amin’ireo soratra ofisialy, fa ny bokin’i Daniela kosa manao azy hoe “mpanjaka.” (Da 5:1-30) Manampy antsika hahazo ny mety ho anton’izany ny sarivongan’ny mpitondra iray tany Gozana fahiny. Mitovy habe aminy ilay sary, izay nofongarin’ny mpikaroka tany amin’ny faritra avaratr’i Syria, tamin’ny 1979. Misy soratra asyrianina sy aramianina (fiteny nanoratan’i Daniela ny tantaran’i Belsazara) ny akanjon’izy io. Izao ihany no tsy itovizan’ireo soratra ireo: Ilay amin’ny teny asyrianina ofisialy milaza fa sarin’ny “governoran’i Gozana” izy io, fa ilay amin’ny teny aramianina fampiasan’ny vahoaka kosa milaza azy hoe “mpanjaka.”

Hoy àry i Alan Millard, mpikaroka sady manam-pahaizana momba ny fiteny: “Toa mety ny ilazan’ny asa soratra tsy ofisialy toy ny Bokin’i Daniela hoe ‘mpanjaka’ i Belsazara, rehefa jerena ireo soratra babylonianina sy ireo soratra teo amin’ilay sarivongana. Nanao ny asan’ny mpanjaka izy, satria nisolo tena an-drainy, na dia mety ho tsy mpanjaka ara-dalàna aza. Tsy nilana fanazavana be tsipiriany toy izany ny fitantaran’i Daniela, satria mety hanakorontan-tsaina fotsiny izany.”​—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, Mey/Jona 1985, p. 77.

Tokony ho modely tamin’ny fanajana an’ireo andriamanitra ny mpanjakan’i Babylonia. Misy soratra miendri-pantsika enina mitantara an’izay nataon’i Belsazara, tamin’ny taona faha-5 ka hatramin’ny faha-13 nanjakan’i Nabonida. Resahin’izy ireny tokoa fa nafana fo tamin’ny fivavahana tamin’ireo andriamanitra babylonianina izy. Nanolotra volamena sy volafotsy ary biby tao amin’ireo tempoly tao Ereka sy Sippar izy. Nisolo tena an’i Nabonida mantsy izy, ka nanao ny adidin’ny mpanjaka.

Nifarana ny fitondrany. Nanao fanasambe ho an’ny olo-manan-kajany arivo lahy i Belsazara ny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. (kalandrie gregorianina), na 11 Oktobra (kalandrie jolianina), araka ny Daniela toko faha-5. (Da 5:1) Nanao fahirano an’i Babylona ny tafik’i Kyrosy Persianina sy Dariosy Medianina, tamin’izay. Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara (izay namerina ny tenin’i Bérose Babylonianina), fa niafina tany Borsippa i Nabonida, rehefa resin’ny Medianina-Persianina tany an’ady. (Diso Hevitra i Apion, I, 150-152 [20]) Raha izany no izy, dia i Belsazara no mpanjaka tao Babylona. Nanao fanasambe izy na dia natao fahirano aza ilay tanàna. Tsy mahagaga izany satria natoky be ry zareo Babylonianina fa tsy ho tafiditry ny fahavalo ireo mandany. Nilaza koa i Hérodote sy Xénophon, izay samy mpahay tantara, fa nanana tahirin-tsakafo be dia be ilay tanàna, ka tsy natahotra mosary. Nisy lanonana sy dihy tamin’io alina io, hoy i Hérodote, ka falifaly ny iray tanàna.

Rehefa mamomamon’ny divay i Belsazara, dia nasainy nalaina ireo fitaovana nentina avy tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Sady nisotro tamin’ireny izy sy ireo vadiny ary vadikeliny mbamin’ireo nasainy, no nidera an’ireo andriamanitra babylonianina. Tsy hoe tsy ampy akory ny kaopy fisotroana, fa ninia nanao tsinontsinona an’i Jehovah Andriamanitry ny Israelita io mpanjaka mpanompo sampy io. (Da 5:2-4) Efa nilaza mialoha i Jehovah fa ho rava i Babylona. Sahy nihantsy an’i Jehovah anefa i Belsazara. Tsy nampanahy azy ilay fahirano nataon’ny fahavalo. Tampoka teo anefa dia nisy tanana nanoratra teo amin’ny rindrin’ny lapa. Nihorohoro mafy i Belsazara, ary nifampikatrokatroka ny lohaliny. Nampanantsoiny ny olon-kendriny rehetra mba hanazava ny dikan’ilay soratra, nefa tsy nisy nahay. Nanoro hevitra azy avy eo ny reniny mba hampiantso an’i Daniela, satria izy io ihany no mahay manazava ny hevitr’ilay soratra. (Da 5:5-12) Misy manam-pahaizana mihevitra fa i Nitokrisy zanak’i Nebokadnezara io “renin’ny mpanjaka” io. Nampian’ny fanahy masina i Daniela ka nanazava ny hevitr’ilay soratra mahagaga. Nilaza izy fa ho resin’ny Medianina sy ny Persianina i Babylona. Nilaza koa ilay mpaminany efa be taona fa meloka i Belsazara satria nampiasa an’ireo fitaovana masin’i Jehovah, mba hiderana andriamanitra tsy mahita na mandre na mahalala na inona na inona. Na izany aza, dia nitana ny teniny i Belsazara ka nanendry an’i Daniela ho mpitondra fahatelo teo amin’ilay fanjakana efa ho rava.​—Da 5:17-29.

Novonoina i Belsazara iny alin’ny 5 Oktobra 539 T.K. iny ihany, rehefa “tafiditra tao Babylona ny tafik’i Kyrosy (II), nefa tsy nila niady akory”, hoy ny Tantaran’i Nabonida. (Tantaran’i Asyria sy Babylona, p. 109, 110; jereo koa Da 5:30.) Maty i Belsazara, ary toa nitolo-batana tamin’i Kyrosy i Nabonida. Nifarana hatreo àry ilay Fanjakana Babylonianina Vaovao.​—Jereo KYROSY; NABONIDA.