Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Beltesazara

Beltesazara

(Beltesazàra) [avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “Arovy ny Ain’ny Mpanjaka”].

Anarana babylonianina nomena an’i Daniela, rehefa natao sesitany tamin’ny 617 T.K. izy. Tsy tokony hafangaro amin’ny hoe Belsazara izy io. (Da 1:7) Azo inoana fa fanafohezana ny vavaka fitalahoana tamin’i Bela io anarana io, ka izany no nilazan’i Nebokadnezara fa ‘araka ny anaran’ny andriamaniny’ no nifidianany azy io. (Da 4:8; 5:12) Tiany ho lasa Babylonianina mihitsy i Daniela, no sady tiany tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Mbola nantsoin’ny Babylonianina hoe Daniela ihany koa anefa izy.​—Da 4:18, 19; 5:12, 13; jereo DANIELA No. 2.