Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Belzeboba

Belzeboba

(Belzebòba) [mety hoe Bala-zeboba (“Tompon’ny Lalitra”), saingy novana kely. Io ilay Bala nivavahan’ny Filistinina tany Ekrona. Antsoina koa izy io hoe Belzebola na Bezebola izay mety hidika hoe “Tompon’ny Fonenana Manerinerina”, na hoe “Tompon’ny Taim-biby” raha atao tsilaolaon-teny ilay teny heb. tsy ao amin’ny Baiboly hoe zevel (taim-biby)].

Antsoina hoe “Belzeboba” i Satana, ilay andriana na lehiben’ny demonia. Niampanga an’i Jesosy Kristy ho namoaka demonia tamin’ny alalan’i Belzeboba ireo mpitondra fivavahana nanevateva azy.​—Mt 10:25; 12:24-29; Mr 3:22-27; Lk 11:15-19; jereo BALA-ZEBOBA.