Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ben

Ben

[Zanaka, Zanakalahy].

Matetika no hita ao amin’ny anarana fahiny ilay tovona hebreo hoe ben. Ny hoe Benjamina, ohatra, dia midika hoe “Zanakalahin’ny Tanana Havanana”, ary ny hoe Ben-amy midika hoe “Zanakalahin’ny Vahoakako [izany hoe havako].” Bar no tovona mitovy amin’ny ben amin’ny anarana aramianina. Midika hoe “Zanaky ny Fampiononana”, ohatra, ny hoe Barnabasy. (As 4:36) Tsy ilazana “zanaka” na “zanakalahy” foana anefa izy io, fa matetika koa no ilazana olona iray firazanana: “zanak’[beneh]Israely” sy “taranaky [zanaky] ny Kosita” (2Ta 35:17; Am 9:7); na olona iray tanàna: “zanaky ny faritany” (Ezr 2:1); na hafa: “zanaky ny fahatanorana” na “zanaky ny tsy fahamarinana” (Sl 127:4; Ho 10:9).