Ben-amy
(Ben-amỳ) [Zanakalahin’ny Vahoakako [izany hoe havako]].
Zanakalahin’i Lota nateraky ny faravaviny taminy; rahalahin’i Moaba. Hitan’ny mpikaroka fa be mpanana ny anarana hoe Ben-amy tamin’ny fotoan’androny. Razamben’ny Amonita i Ben-amy, izay nantsoina koa hoe Amona.—Ge 19:31-38; jereo AMONA.