Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Benaia

Benaia

(Benaià) [Nanorina i Jehovah].

1. Zanakalahin’ilay Joiada Levita lehiben’ny mpisorona. Izy no rain’i Amizabada sy Joiada, ka ireo roa lahy ireo, fara fahakeliny, no zanany lahy. (1Ta 27:5, 6, 34) Mpiady mahery sy tena matanja-tsaina ary be herim-po i Benaia. “Niavaka kokoa noho ireo telopolo lahy” anisan’ny lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida izy, “nefa tsy tonga tamin’ny laharam-boninahitr’ireo telo lahy.”​—2Sa 23:20-23.

Intelo i Benaia no nampiseho ny hakingany: Izy no namono an’ireo kalazalahy roa avy any Moaba; sahy nidina tao an-davaka fanangonan-drano koa izy ka namono liona iray; ary vitany ny namono Ejipsianina goavam-be iray tamin’ny lefon’io fahavalo io ihany. (1Ta 11:22-24) Notendren’i Davida ho lehiben’ny mpiaro azy io lehilahy be herim-po io. (1Ta 11:24, 25) Tsy nivadika tamin’ny mpanjaka mihitsy ny Keretita sy ny Peletita, izay notarihin’i Benaia, tamin’ny fotoana nikomian’i Absaloma sy Adonia. (2Sa 8:18; 15:18; 20:23; 1Mp 1:8, 10, 26; 1Ta 18:17) I Benaia no voatendry ho lehiben’ny fizarana fahatelo tamin’ireo antoko-miaramila nifandimby nanompo. Nisy 24 000 lahy tao amin’ny antoko-miaramilany. (1Ta 27:5, 6) Rehefa antitra i Davida, ka nohosorana ho mpanjaka i Solomona, dia nanohana izany i Benaia sy ny Keretita ary ny Peletita. (1Mp 1:32-40) Tatỳ aoriana, dia nasain’i Solomona Mpanjaka novonoin’i Benaia i Adonia sy Joaba ary Simey, ary notendreny ho lehiben’ny tafika i Benaia.​—1Mp 2:24, 25, 28-46; 4:4.

2. Iray tamin’ireo lehilahy maherin’i Davida. Izy no lehiben’ny fizarana faha-11 tamin’ireo antoko-miaramila nifandimby nanompo. Piratonita avy amin’ny fokon’i Efraima izy.​—2Sa 23:30; 1Ta 11:31; 27:14.

3. Levita mpitendry zavamaneno. Nitendry lokanga izy nanaraka ny Vata misy ny fifanekena, tamin’ny fotoana nitondrana azy io tao Jerosalema ka nametrahana azy tao amin’ilay tranolay efa nomanin’i Davida ho azy io.​—1Ta 15:18, 20; 16:1, 5.

4. Mpisorona nitsoka trompetra tamin’ny fotoana nitondrana ny Vata misy ny fifanekena tany Jerosalema, tamin’ny andro nanjakan’i Davida.​—1Ta 15:24; 16:6.

5. Levita taranak’i Asafa.​—2Ta 20:14.

6. Simeonita iray mety ho niara-belona tamin’i Hezekia Mpanjaka.​—1Ta 4:24, 36-43.

7. Levita notendren’i Hezekia hanampy an’ireo nikarakara ny fanomezana maro be ho an’ny tranon’i Jehovah.​—2Ta 31:12, 13.

8. Rain’i Pelatia. Anisan’ny andriana ratsy fanahy hita tao amin’ny fahitan’i Ezekiela io Pelatia io.​—Ezk 11:1, 13.

9, 10, 11, 12. Lehilahy efatra izay nandefa ny vadiny hafa firenena niaraka tamin’ny zanany, noho ny fananaran’i Ezra. Ny iray taranak’i Parosy, ny iray taranak’i Pahata-moaba, ny iray taranak’i Bany, ary ilay fahefatra taranak’i Nebo.​—Ezr 10:25, 30, 34, 35, 43, 44.