Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bene-jakana

Bene-jakana

(Bene-jakàna) [Zanakalahin’i Jakana].

Toerana iray nitobian’ny Israelita tamin’ny dian’izy ireo tany an-tany efitra. (No 33:31, 32) Toa i Jakana ihany ilay Akana resahin’ny Genesisy 36:27 sy 1 Tantara 1:42. “Jakana” no ampiasain’ny Masoreta, ao amin’ireo andininy ireo. Milaza ny Nomery fa “niainga avy tao Moserota” ny Israelita, ary “nitoby tao Bene-jakana; niainga avy tao Bene-jakana, dia nitoby tao Hora-hagidgada.”

Ny Deoteronomia 10:6 kosa milaza zavatra mifamadika amin’izay, izany hoe niala tany Berota Bene-jakana ny zanak’Israely ary nankany “Mosera” (endriny milaza tokana amin’ny Moserota). Mety ho toerana iray ihany àry i Berota Bene-jakana (midika hoe “Lavadranon’ny Zanakalahin’i Jakana”) sy ilay Bene-jakana resahin’ny Nomery. Hita amin’izany fa mifamadika ny lalana tantarain’ny Nomery sy Deoteronomia. An-taonany maro koa ny Israelita no tany an-tany efitra, ka tena nety ho nandalo indroa tao amin’ilay faritra izy ireo. Hoy Ny Boky Dimy Voalohany sy Bokin’ny Mpaminany momba ilay andininy: “Izao no mety ho antony: Nianatsimo ny Israelita mba hankany Edoma, ary voatery nianavaratra tampoka avy eo.” (Nataon’i J. Hertz, Londres, 1972) Nety ho voatery niverin-dalana kelikely angamba izy ireo, ka niverina indray tany amin’ireo toerana sasany efa nolalovany. Tsara homarihina koa fa mitantara ny nahafatesan’i Arona ny Deoteronomia (10:6) raha vao avy niresaka momba an’i Mosera, fa ny Nomery (33:31-39) kosa mitantara ny dian’ny Israelita avy tany Eziona-gebera nankany avaratrandrefana tany Kadesy, izay vao milaza momba ny nahafatesan’i Arona. Tena nety ho niverin-dalana kely koa izy ireo, matoa naharitra taona maro ny diany.

Maro no milaza fa toerana iray any avaratra kelin’i Kadesi-barnea i Bene-jakana (Berota Bene-jakana).​—Jereo BEROTA BENE-JAKANA.