Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Benjamina

Benjamina

(Benjamìna) [Zanakalahin’ny Tanana Havanana].

1. Zanakalahy faha-12 naterak’i Jakoba, ary rahalahin’i Josefa iray ray sy iray reny taminy. Toa izy ihany no naterak’i Jakoba tany Kanana, satria teraka tany Padana-arama daholo ny hafa rehetra. (Ge 29:31–30:25; 31:18) Teny an-dalana avy tany Betela ho any Efrata (Betlehema) i Rahely no niteraka an’i Benjamina, zanany lahy faharoa. Saro-piterahana anefa izy ka maty. Rehefa niala aina izy, dia nataony hoe Ben-ony, midika hoe “Zanakalahin’ny Fahoriako”, ny anaran’ilay zaza. I Jakoba vadiny kosa niantso azy io hoe Benjamina, midika hoe “Zanakalahin’ny Tanana Havanana.”​—Ge 35:16-19; 48:7.

Ny nahaterahan’i Benjamina ihany no tantarain’ny Baiboly, ary tsy misy resaka momba azy intsony raha tsy taorian’ny nivarotana an’i Josefa rahalahiny ho andevo tany Ejipta. Faralahin’i Jakoba tamin’i Rahely ilay vadiny tena tiany, i Benjamina (Ge 44:20), ka tsy foiny mihitsy, indrindra fa rehefa noheveriny hoe maty i Josefa. Tena tsy nazoto mihitsy àry izy handefa an’i Benjamina hiaraka tamin’ireo rahalahiny ho any Ejipta, raha tsy efa noresena lahatra be. (Ge 42:36-38; 43:8-14) Tsara homarihina fa efa tovolahy i Benjamina tamin’izay, na dia nantsoin’i Joda hoe “ny zaza” aza. Resahin’ny Genesisy 46:8, 21 fa efa niteraka izy tamin’ny fotoana nifindran’i Jakoba tany Ejipta. Tena tian’i Jakoba anefa izy satria ‘zanaky ny fahanterany’, ary nianteherany tamin’ny lafiny maro. (Ge 44:20-22, 29-34) Tena niraiki-po tamin’i Benjamina zandriny lahy koa i Josefa.​—Ge 43:29-31, 34.

Misy boky maromaro ao amin’ny Baiboly ahitana ny lisitr’ireo taranak’i Benjamina. Feno kokoa ny lisitra sasany, raha oharina amin’ny hafa. Ny Genesisy 46:21, ohatra, ahitana anaran’olona folo lazaina hoe “zanakalahin’i Benjamina.” Tsy hita ao amin’ny lisitra tatỳ aoriana anefa ny sasany tamin’ireo anarana ireo. Nisy àry nihevitra fa mety hoe maty mbola kely, na tsy niteraka zanakalahy hamelo-maso ny anaran’ny fianakaviana, ny sasany tamin’ny zanakalahin’i Benjamina. Azo inoana fa samy hafa ny fomba fanoratra ny anarana sasany ao amin’ireny lisitra ireny (ampit. Ehy, Ahirama, Ahara.) Mety ho taranaka fotsiny koa ireo olona sasany voatonona ao amin’ny Genesisy 46:21. (No 26:38-40; 1Ta 7:6; 8:1) Misy mihevitra fa mbola tsy nanana zanakalahy maro be na tsy nanana zafikely akory aza i Benjamina, rehefa nifindra tany Ejipta. Tsara hotadidina anefa fa tsy voatery hoe efa niteraka an’ireo zanany ireo izy talohan’ny nifindrana tany, na dia nolazaina hoe anisan’izay ‘rehetra niaraka tamin’i Jakoba nankany Ejipta’ aza izy ireo. Mety hoe teraka tany nandritra ireo 17 taona nipetrahan’i Jakoba tany, talohan’ny nahafatesany, izy ireo. Teraka tany Ejipta koa mantsy izy roa lahy zanak’i Josefa, nefa notanisaina ho “anisan’ny ankohonan’i Jakoba tonga tany Ejipta.” (Ge 46:26, 27) Toa efa 40 taona mahery i Benjamina rehefa maty ny rainy, ka mety ho efa nanana zafikely izy.

Nahazo tsodrano avy tamin-drainy i Benjamina, izay anisan’ny lohan’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. Horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity koa izany.​—Ge 49:27, 28.

2. Benjamina koa no iantsoana an’ilay foko avy tamin’i Benjamina zanak’i Jakoba. Tamin’ny fotoana nialana tany Ejipta, dia io no foko kely indrindra nanarakaraka ny fokon’i Manase, raha ny isan’ny lahy no resahina. (No 1:36, 37) Nisy fanisam-bahoaka koa tatỳ aoriana, teo amin’ny Lemak’i Moaba, ka hita fa nanjary ny fahafito lehibe indrindra ny fokon’i Benjamina. (No 26:41) Rehefa nitoby tany an-tany efitra ny Israelita, dia teo andrefan’ny tranolay masina ny fokon’i Benjamina, niaraka tamin’ny fokon’i Manase sy ny fokon’i Efraima zanakalahin’i Josefa, ary io fizarana nisy foko telo io no niainga fahatelo rehefa nifindra lasy ny Israelita.​—No 2:18-24.

Taiza ny faritra nomena ny fokon’i Benjamina, tao Kanana? Teo anelanelan’ny anjaran’ny fokon’i Efraima sy ny anjaran’ny fokon’i Joda. Ny faritra nomena ny fokon’i Dana kosa no teo amin’ny sisin-taniny andrefana. Nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Jordana, eo akaikin’i Jeriko, ny sisin-taniny avaratra. Namakivaky ny faritra be tendrombohitra tany akaikin’i Betela izany, ary niankandrefana tany akaikin’i Beti-horona Ambany. Teo kosa no niandoha ny sisin-taniny andrefana ka nidina tany Kiriata-jearima. Teo indray no nanomboka ny sisin-taniny atsimo ary niantsinanana ka nandalo an’i Jerosalema teo amin’ny Lohasahan’i Hinoma, ary nanavatsava ny tehezana atsinanana sy nikitoantoana tamin’ilay lohasaha ka nipaka tany Jordana indray, teo amin’ny tendrony avaratry ny Ranomasina Maty. Ny Reniranon’i Jordana àry no sisin-tany atsinanan’ny faritanin’i Benjamina. (Js 18:11-20; ampitahao ny sisin-tany avaratry ny faritanin’i Joda [Js 15:5-9] sy ny sisin-tany atsimon’ny faritanin’ny “taranak’i Josefa” [Js 16:1-3].) Nirefy 19 km teo ho eo ny faritanin’i Benjamina, avy tany avaratra ka hatrany atsimo, ary 45 km teo ho eo kosa avy tany atsinanana ka hatrany andrefana. Teo amin’ny faritra lonaka tany Jeriko, teo amin’ny Lohasahan’i Jordana, ihany no tsy be havoana sy tsy nikitoantoana, tao amin’ny faritanin’i Benjamina. Nisy faritra lonaka ihany koa teo amin’ny tehezany andrefana. Nisy lohasaha falehan-driaka nisolampy niankandrefana nankany amin’ny lemaka fonenan’ny Filistinina tao amin’io faritany io, sady nisy lohasaha falehan-driaka nisolampy niantsinanana nankany Jordana. Nanamora ny fidirana tany amin’ny faritra avo àry izany, na ho an’izay hiantafika na ho an’izay hanao varotra. Nanafika tao amin’io faritany io ny Filistinina nitoby tany Mikmasy, tany am-piandohan’ny fanjakan’i Saoly, ka nanaram-po nandroba an’ireo Israelita. Tany avaratra kelin’i Gibea nonenan’i Saoly no nisy an’i Mikmasy. Tsy nijanona ny fanafihana raha tsy nandresy sy nampandositra azy ireo tany amin’ny lemaka amoron-tsiraka i Jonatana.​—1Sa 13:16-18; 14:11-16, 23, 31, 46.

Anisan’ireo tanàna lehibe tao amin’ny faritany nomena ny fokon’i Benjamina tamin’ny voalohany i Jeriko, Betela, Gibeona, Gibea, ary Jerosalema. Ny taranak’i Josefa anefa no niady mba hahazoana an’i Betela, ary lasa tanàna lehibe tao amin’ny faritanin’i Efraima (teo akaiky teo) izy io tatỳ aoriana, sady lasa foiben’ny fivavahana tamin’ilay zanak’omby sampy. (Mpts 1:22; 1Mp 12:28, 29; jereo BETELA No. 1.) Tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Benjamina koa i Jerosalema. Teo amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Joda anefa izy io, ary io foko io no nandresy sy nandoro azy tamin’ny voalohany. (Mpts 1:8) Samy tsy nahavita nandroaka an’ireo Jebosita tao Jerosalema anefa na ny Joda na ny Benjamina. (Js 15:63; Mpts 1:21) Tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka vao azo tanteraka ilay tanàna, ka natao renivohitr’i Israely.​—2Sa 5:6-9.

Nisy tamin’ny fokon’i Benjamina nanao zavatra tena ratsy tao Gibea, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Tsy nety nanolotra an’ireo nahavita izany ilay foko, ka niady taminy ireo foko hafa, izay tena tsy nanaiky mihitsy raha tsy nosazina ireo nanao ratsy. Efa saika ripaka mihitsy ny fokon’i Benjamina, vokatr’izany ady an-trano izany. (Mpts 19–21) Nahita hevitra tsy hahalany tamingana ny fokon’i Benjamina anefa ireo foko hafa. Tafarina ihany àry ilay foko ka lasa nisy miaramila efa ho 60 000 tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, na dia 600 lahy teo ho eo monja aza sisa.​—1Ta 7:6-12.

Tena nahay niady ireo taranak’i Benjamina. Efa naminany momba izany i Jakoba tamin’izy efa ho faty. Hoy izy momba io zanany tena tiany io: “Hamiravira foana toy ny amboadia i Benjamina. Hihinana ny rembiny izy amin’ny maraina, ary hizara izay nobaboiny izy amin’ny hariva.” (Ge 49:27) Mpampiasa pilotra nalaza ireo miaramila benjamita. Sady kavanana izy ireo no kavia rehefa nandefa izany, ary tsy nivaona ny vato nalefany, “na dia hoatran’ny singam-bolo iray aza.” (Mpts 20:16; 1Ta 12:2) Taranak’i Benjamina, sady kavia, i Ehoda Mpitsara izay namono an’i Eglona mpanjaka ratsy fanahy. (Mpts 3:15-21) Tsara homarihina koa fa taranak’i Benjamina ny mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, ‘tamin’ny maraina’, izany hoe tany am-piandohan’ny fanjakan’ny Israely, na dia “foko kely indrindran’ny Israely” aza io foko io. Tsy iza io mpanjaka io fa i Saoly zanak’i Kisy, ilay mpiady mahery nanohitra ny Filistinina. (1Sa 9:15-17, 21) ‘Tamin’ny hariva’, izany hoe tany amin’ny faramparan’ny fanjakan’ny Israely, dia ny taranak’i Benjamina (Estera Vadi-mpanjaka sy Mordekay Praiminisitra) no namonjy ny Israelita tany Persa mba tsy ho ripaka.​—Es 2:5-7.

Nanohana an’i Davida ny Benjamita sasany, tamin’i Davida nenjehin’i Saoly Mpanjaka ka voatery nandositra. (1Ta 12:1-7, 16-18) Rehefa maty kosa i Saoly, dia nanohana an’i Isboseta zanak’i Saoly ny ankamaroan’izy ireo, tamin’ny voalohany. (2Sa 2:8-10, 12-16) Niaiky anefa izy ireo tatỳ aoriana fa i Davida no mpanjaka, ka tsy nivadika tamin’ny fanjakan’ny Joda mihitsy izy ireo. Nisy naningana ihany anefa. Nisy tamin’izy ireo mantsy mbola nanohitra an’i Davida, anisan’ireny i Simey sy Sheba, ka nahatonga ny Israelita ho voazarazara nandritra ny fotoana kelikely. (2Sa 16:5; 20:1-22) Nanohana ny fokon’i Joda sy tsy nivadika taminy ihany anefa ny fokon’i Benjamina, rehefa nizara tanteraka ilay firenena tatỳ aoriana, ka nasehon’izy ireo tamin’izany fa nanaiky ny didin’i Jehovah izy ireo. Ny fokon’i Efraima teo akaiky teo, izany hoe ny taranaky ny zana-drahalahin’i Benjamina, no lasa foko lehibe indrindra tamin’ilay fanjakana tany avaratra.​—1Mp 11:31, 32; 12:21; 2Ta 11:1; Ge 49:8-10.

Taorian’ny sesitany tany Babylona, dia i Benjamina sy Joda no foko voatonona matetika indrindra teo amin’ireo Israelita tafaverina indray tany Palestina. (Ezr 4:1; 10:9) Tsy nivadika tamin’i Joda sy Jerosalema mihitsy ny fokon’i Benjamina, ka azo inoana fa izany no anisan’ny antony nanomezana an’io foko io ny anjara lova teo amin’ny ilany atsimo amin’ny sisin-tanin’ilay “fanomezana”, ary ny fokon’i Joda kosa no nahazo ny teo amin’ny sisin-tany avaratra. Izany no hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana momba ny fizarana ny tanin’ny Israely, rehefa tonga ilay fanjakana nampanantenaina.​—Ezk 48:8, 21-23.

Avy amin’ny fokon’i Benjamina ny apostoly Paoly, izay anisan’ireo mpanara-dia an’i Jesosy sy tsy nivadika taminy. Mpiady mahery nanohitra ny fampianaran-diso sy ny fanao raran’ny Baiboly izy. Mahaliana fa antsoina hoe “ny Liona avy amin’ny fokon’i Joda” i Jesosy. (Ap 5:5; Ro 11:1; Fi 3:5) Rariny àry raha voatonona ho anisan’ny Israely ara-panahy koa ny fokon’i Benjamina.​—Ap 7:8.

Niresaka momba ny foko iray, atao hoe Binu-jamina, ny taratasy tranainy be (noheverina ho tamin’ny taonjato faha-18 T.K.) hita tany Mari, tany akaikin’ny Reniranon’i Eofrata. Olona mpiady mahery sy mpifindrafindra monina no tao amin’ilay foko. Nisy manam-pahaizana nandinika an’ilay anarana ka nieritreritra hoe sao dia mba ireo no “razamben’ilay foko voalazan’ny Baiboly. Tsy azo antoka anefa izany, raha jerena ny fotoana niainan’izy ireo sy ny razana niaviany.”​—Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary, nataon’i J. Douglas, 1980, Boky 1, p. 185.

3. Benjamita iray, taranak’i Jediaela rain’i Bilana.​—1Ta 7:6, 10.

4. Iray tamin’ireo “taranak’i Harima”, izay nandroaka ny vadiny hafa firenena tamin’ny andron’i Ezra. (Ezr 10:31, 32, 44) Mety ho izy ihany ilay Benjamina resahin’ny Nehemia 3:23 sy 12:34. Tsy tena azo antoka anefa izany.