Ben’ny Tanàna
Mpiasam-panjakana ambony indrindra tao amin’ireo tanàna nahaleo tena nofehezin’ny Fanjakana Romanina tany Azia Minora. Toa nofidin’ny vahoaka ny ben’ny tanàna (gr.: grammateos), ary nitana toerana ambony indrindra tao an-tanàna. Mitovitovy amin’ny ben’ny tanàna ankehitriny ihany àry izy. Nanana fahefana lehibe izy, ary nomen’ny olona voninahitra. Tsy ho nohajaina toy izany anefa izy raha “mpitahiry ny didy” na “mpanoratry ny tanàna” araka ny filazan’ny Baiboly sasany azy. (As 19:35, Prot., DIEM) Ilazana mpanora-dalàna jiosy ny hoe grammateos, fa hafa kosa ny heviny sy ny nampiasana azy eto. Nanam-pahefana ilay ben’ny tanàna tao Efesosy, matoa afaka nampangina an’ilay vahoaka nitady hamely an’i Paoly sy ny namany.—As 19:35-41.
Afaka nanatona mivantana ny governoram-paritra ny ben’ny tanàna, izay nanelanelana ny mpitondra teo an-toerana sy ny manam-pahefana romanina niadidy faritany (anisan’ny renivohi-paritany i Efesosy). Afaka niaro ny zon’ny vahoaka teo anatrehan’ny manam-pahefana romanina àry izy. Andraikitr’ireo ben’ny tanàna tany Azia ny nitandro ny filaminana tao an-tanàna. Namory vahoaka anefa ireo mpanefy volafotsy tsy faly tamin’ny fitorian’ny apostoly Paoly tao Efesosy. Nisavorovoro ilay vahoaka nivory tao an-kianja filalaovana tantara an-tsehatra. Natahotra àry ilay ben’ny tanàna sao hampangaina ho nampirisika olona hikomy izy ireo, ka izy indray no holazain’ny Romanina hoe tompon’andraikitra tamin’izany.