Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bera, I

Bera, I

(Bèra).

1. Mpanjakan’i Sodoma. Resin’i Kedorlaomera sy ireo mpiray dina taminy izy, teo amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima. (Ge 14:1-11) Nenjehin’i Abrahama ireo mpanjaka nandresy ireo, satria te hanafaka an’i Lota zana-drahalahiny izy. Navotany ireo fananana lasan’izy ireo, ka naveriny tany amin’ny mpanjakan’i Sodoma fa tsy notazoniny ho azy. Tsy tian’i Abrahama hirehareha mantsy io mpanjakan’i Sodoma io hoe: “Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.”​—Ge 14:14-24.

[2, 3: Lavadrano]

2. Loham-pianakaviana sady taranak’i Asera.​—1Ta 7:30, 37, 40.

3. Mpiadidy teo amin’ny Robenita. Nanao azy sesitany i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, angamba tamin’ny fotoana nanjakan’i Peka (t. 778-759 T.K.).​—1Ta 5:6.