Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bera, II

Bera, II

(Bèra) [Lavadrano].

Nilazana lavadrano matetika ny teny hebreo hoe beʼer mba hanavahana azy tamin’ny loharano voajanahary (heb.: ʽayin). Ampiarahina amin’ny teny hafa izy io mazàna ao amin’ny anaran-toerana.​—Ampit. BERA-ELIMA; BERI-SHEBA.

1. Tonga tao Bera ny Israelita rehefa avy nandalo tao Arnona, tamin’izy ireo hiditra ny Tany Nampanantenaina. (No 21:13-16) Nisy lavadrano tao, ary toa ireo andriana lehibem-poko no nandavaka azy io tamin’ny tehiny ihany, ka nisy rano niboiboika. Izany no antony nanoratana an’ilay tononkira eo amin’ny andininy faha-17 sy 18.

Koa satria ny andriana no nandavaka an’ilay lavadrano, dia misy mihevitra an’i Bera ho i Bera-elima (midika hoe “Lavadranon’ny Hazobe”). (Is 15:8) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io, nefa misy milaza azy io ho ny Lohasaha Falehan-driaka Tamad any avaratr’i Arnona, ary tokotokony ho 56 km any atsinanan’ny Ranomasina Maty. Matetika no misy rano mipoitra any raha vao lavahana kely fotsiny ny tany.

2. Toerana nandosiran’i Jotama zanakalahin’i Gideona (Jerobala), rehefa avy naharihariny hoe mpamitaka i Abimeleka. (Mpts 9:3-5, 21) Misy milaza an’i Bera ho i Al-Bira, tokotokony ho 12 km any avaratr’i Beti-sana ary any atsimoatsinanan’ny Tendrombohitra Tabara. Misy indray milaza azy io ho i Berota. (Jereo BEROTA.) Tsy tena fantatra anefa ny toerana nisy an’i Bera, satria tsy voalaza ny lalana narahin’i Jotama tamin’izy niala avy teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima.