Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Berekia

Berekia

(Berekìa) [Tahin’i Jehovah].

1. Zanakalahin’i Simea, ary taranak’i Levy avy tamin’i Gersoma. Izy no rain’ilay Asafa anisan’ny mpitarika an’ireo mpihira notendren’i Davida Mpanjaka. Maromaro ny taranak’i Asafa lasa mpihira mahay tao amin’ny tempoly. Mety ho ity Berekia ity ihany ilay No. 2.​—1Ta 6:39; 15:17; 25:1-9; Ezr 2:41; Ne 7:44.

2. Iray tamin’ireo Levita efatra, izay mpiandry vavahadin’ny toerana nisy ny Vata masina, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka. Mety ho izy ihany ilay No. 1.​—1Ta 15:23, 24.

3. Zanakalahin’i Mesilemota. (2Ta 28:12) Resin’ny fanjakana tany avaratra tanteraka ny fanjakan’ny Joda tany atsimo, tamin’ny andron’i Ahaza mpanjakan’ny Joda. Olona 200 000 no nentin’ireo tany avaratra ireo ho babo tany Samaria, saingy nanao zavatra haingana i Berekia sy ny lohandohany hafa telo tany Efraima, noho ny torohevitr’i Odeda mpaminanin’i Jehovah. Tsy navelan’izy ireo ho lasa mpanompon’ireo nandresy àry ireo rahalahiny, sady nomeny fitafiana sy sakafo ary nampiany hiverina hody.​—2Ta 28:6-15.

4. Taranak’i Davida avy tamin’i Solomona.​—1Ta 3:1, 10, 20.

5. Levita velona taorian’ny sesitany tany Babylona. Zanakalahin’i Asa izy.​—1Ta 9:16.

6. Zanakalahin’i Mesezabela. Izy no rain’ilay Mesolama nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Nehemia. Zafikeliny ilay nanambady ny zanakalahin’i Tobia.​—Ne 3:4, 30; 6:17, 18.

7. Zanakalahin’i Ido mpaminany ary rain’i Zakaria mpaminany.​—Za 1:1, 7.