Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Berenika

Berenika

(Berenìka) [avy amin’ny fototeny midika hoe “mandresy”].

Zanakavavin’i Heroda Agripa I tamin’i Siprosy. Teraka tamin’ny taona 28 tany ho any izy, ary i Mariamne III sy Drosila ary Heroda Agripa II no iray tam-po aminy. (Jereo HERODA No. 4.) Nitsidika an’i Festosy Governora tany Kaisaria i Berenika sy Agripa anadahiny tamin’ny taona 58. “Tonga tamin’ny fomba nanetriketrika be” izy ireo, rehefa nasain’i Festosy, “ary niditra tao amin’ny efitra fitsarana, niaraka tamin’ny mpitari-tafika sy ny olona ambony tao an-tanàna.” Nasaina niditra i Paoly, izay voafonja, ary navela hanome fanazavana mipetrapetraka tsara sy mampiaiky mba hiarovany ny tenany teo anoloan’ireo olo-manan-kaja ireo.​—As 25:13, 23; 26:1-30.

Mbola tanora kely i Berenika dia nanambady an’i Marcus zanak’i Alexandre Lysimaque. Maty anefa i Marcus, ka nanambady an’i Heroda mpanjakan’i Chalcis i Berenika. Dadatoany ihany io Heroda io. Niteraka roa lahy taminy i Berenika, talohan’ny nahafatesan’i Heroda tamin’ny taona 48. Niara-nipetraka tamin’ny anadahiny izy avy eo mandra-pielin’ny tsaho hoe nanambady olom-pady izy. Nanambady an’i Polémon, mpanjakan’i Kilikia àry izy, rehefa nanaiky hanaraka ny Fivavahana Jiosy izy io. Tsy ela anefa, dia nisintaka tamin’i Polémon izy, ka niara-nipetraka tamin’ny anadahiny indray. Tamin’izay izy sy Agripa no nankany Kaisaria.

Tamin’ny taona 65, dia saika namoy ny ainy i Berenika, tamin’izy niaro ny Jiosy mba tsy haripak’i Florus. Nifofo ny ain’i Jiosy mantsy io Florus io, ary nampisy ady sy korontana be tao Jerosalema. Nianiana fa hiandany tamin’i Vespasien mpanjaka romanina i Berenika sy ny anadahiny, tatỳ aoriana, toy ny nataon’ny hafa ihany. Nentin’i Titus, zanaky ny mpanjaka, nankany Roma mihitsy aza i Berenika, mba halainy ho vady, na dia zokiny folo taona aza. Nisarahany anefa izy, satria tsy tian’ny vahoaka romanina raha Jiosy no ho lasa vadin’ny mpanjaka.