Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Beria

Beria

(Berìa).

[1-4: Nisy Fahoriana]

1. Zanakalahin’i Asera, ary ny anarany no voatonona fahefatra. Anisan’ny ankohonan’i Jakoba nankany Ejipta izy, ary niaraka taminy angamba i Hebera sy Malkiela zanany roa lahy. (Ge 46:8, 17) Lohan’ny fianakaviambe izy sy ireo zanany ireo, ka ny Berita no taranany.​—No 26:44, 45; 1Ta 7:30, 31.

2. Zanakalahin’i Efraima. Teraka taorian’ny namonoan’ireo lehilahy avy tany Gata an’ireo zokiny lahy i Beria. “Nataon’i Efraima hoe Beria ... ny anarany, satria nisy fahoriana [heb.: veraʽah] tao amin’ny ankohonany tamin’ny fotoana niterahan’ny vadiny [renin’i Beria]” azy.​—1Ta 7:20-23.

3. Iray tamin’ireo zanakalahin’i Elpala, sady iray tamin’ireo Benjamita lohan’ny fianakaviambe, izay nandroaka ny mponina tao Gata.​—1Ta 8:12, 13.

4. Zanakalahin’ilay Simey Levita taranak’i Gersona, ary ny anarany no voatonona farany. “Tsy nanan-janakalahy maro” i Beria sy Jeosy rahalahiny, “ka nisaina ho fianakaviambe iray ary nomena andraikitra iray ihany.”​—1Ta 23:6-11.

5. Tanàna be mponina tao amin’ny faritanin’i Makedonia. Nankany ny apostoly Paoly tamin’ny dia misionera faharoa nataony. (As 17:10-14) Véria no anaran’i Beria ankehitriny. Teo amin’ny faritra iray nahavokatra be teo am-pototry ny Tendrombohitra Bermios no nisy azy io, 65 km teo ho eo tany andrefana atsimoandrefan’i Tesalonika. Any afovoan-tany àry no misy azy io, tokotokony ho 35 km miala ny Ranomasina Égée.

Toa tamin’ny taona 50 tany ho any, no tonga tao Beria i Paoly sy Silasy, rehefa voatery niala tany Tesalonika tamin’ny alina, noho ny mpirotaka nahery setra. Maro ny Jiosy nonina tao Beria, ka tao amin’ny synagoga ireo misionera ireo no nitory. Noderaina ireo tao Beria satria nazoto nandray ny teny notorina taminy, sady nanamarina tsara ny zavatra reny mba hahitany raha mifanaraka amin’ny Soratra Masina izany na tsia. (As 17:11) Maro tamin’ireo olona “ambony saina” ireo no lasa mpino, na Jiosy na Grika. Voatery nanajanona ny fitoriany anefa i Paoly, satria nisy Jiosy nafana fo avy tany Tesalonika tonga tao Beria mba hanakorontana vahoaka. Nandeha sambo nankany Atena izy, fa i Silasy sy Timoty kosa nijanona tao ihany mba hikarakara an’ireo vao lasa mpino.​—As 17:12-15.

Nandalo tany Beria na tany akaikin’izy io i Paoly tamin’ny dia misionera fahatelo nataony. Tany Makedonia indray àry izy. Niaraka taminy koa tamin’izay i Sopatera, Kristianina avy any Beria.​—As 20:1-4.