Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Berota Bene-jakana

Berota Bene-jakana

(Beròta Bene-jakàna) [Lavadranon’ny Zanakalahin’i Jakana].

Toerana iray nitobian’ny Israelita tamin’izy ireo nirenireny tany an-tany efitra. Tsy indray mandeha fotsiny angamba izy ireo no nitoby teo, ary taloha kelin’ny nahafatesan’i Arona teo amin’ny Tendrombohitra Hora ny farany. (De 10:6) Mety ho i el-Birein, any amin’ny 62 km eo ho eo any atsimoandrefan’i Beri-sheba, any akaikin’i ʽEzoz ankehitriny, i Berota Bene-jakana. Misy lavadrano maro ao. Eo atsimo keliny ny toerana heverina fa nisy an’i Kadesi-barnea. Hoy i Nelson Glueck: “Tena be toerana tranainy ao amin’io faritra io.” (Renirano any An-tany Efitra, 1960, p. 97) Azo inoana fa i Berota Bene-jakana ilay atao fotsiny hoe Bene-jakana ao amin’ny Nomery 33:31.​—Jereo BENE-JAKANA.