Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Beta, II

Beta, II

(Bèta).

Tanàna voatonona miaraka amin’i Berotahy, tamin’i Davida nandresy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba. (2Sa 8:8) Tsy fantatra hoe taiza no nisy an’ilay toerana, na dia voalaza aza fa tany avaratr’i Damaskosy no nisy an’i Zoba fanjakana aramianina. Andininy hafa miresaka an’io fandresen’i Davida io ny 1 Tantara 18:8, ka “Tibata” no ao fa tsy Beta. Misy mpanao diksionera mihevitra àry hoe Tibata no fomba fanoratra marina kokoa an’io anaran-tanàna io. “Teba” fa tsy Beta no ao amin’ny 2 Samoela 8:8 ao amin’ny Peshitta syriàka. Tsara homarihina fa raha vao mifamadika fotsiny ireo litera hebreo roa voalohany dia lasa Teba ny hoe Beta. Tanàna aramianina i Beta (na Tibata), ka izany no ilazan’ny manam-pahaizana hoe mety ho i Teba zanakalahin’i Nahora no niavian’ny anaran’io tanàna io.​—Ge 22:24; jereo TIBATA.