Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Betela

Betela

(Betèla) [Tranon’Andriamanitra].

1. Tanàna lehibe voaresaka matetika ao amin’ny Baiboly, manarakaraka an’i Jerosalema. Maro no milaza azy io ho ilay tanàna rava eo akaikin’i Beitin ankehitriny, tokotokony ho 17 km any avaratr’i Jerosalema. Toerana be vato tokony ho 900 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io, eo amin’ny farany atsimo amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Somary ngazana ny manodidina, satria lembalemba be vato sy zara raha misy zavamaniry. Misy loharano maro anefa any ka azo inoana fa azon-drano tsara ilay tanàna fahiny.

Tsara toerana i Betela ka anisan’ny nampahalaza azy izany. Teo amin’ilay tandavan-tendrombohitra namakivaky ny afovoan’ny Israely no nisy azy io. Nandalo teo àry ilay lalambe avy any avaratra mianatsimo izay manaraka ny tampon’ilay tandavan-tendrombohitra miainga avy any Sekema ka mianatsimo mandalo an’i Betela, Jerosalema, Betlehema, Hebrona, ary Beri-sheba. (Ampit. Mpts 21:19.) Mampitohy an’i Betela sy Jopa any amoron’ny Mediterane any andrefana ny lalana iray, ary mampitohy azy sy Jeriko any atsinanana any akaikin’ny Reniranon’i Jordana ny lalana iray hafa. Tanàna ihaonan’ny lalana maro àry i Betela, mitovy amin’i Samaria, Jerosalema, Hebrona, ary Beri-sheba. Hita koa fa ny faritra eo anelanelan’i Betela sy Jerosalema no be mponina sy be tanàna kokoa noho ny faritra hafa any Palestina.

Teo amin’io tanàna rava io no nisy an’i Betela fahiny. Tao i Jeroboama no nanorina ny foiben’ny fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena, teo amin’ilay lalana mankany Jerosalema

Nisy tanàna rava efa tranainy be nofongarina tany amin’ny faritr’i Beitin, ka lazain’ny mpikaroka fa efa nisy mponina tao tamin’ny taonjato faha-21 T.K. tany ho any. Noravana sy nodorana ilay tanàna teo matoa 1,5 m ny hatevin’ny poti-javatra sy lavenona hita tamin’ny faritra sasany tany. Mety ho tamin’ny fotoana nanafihan’ny Israely ny tany Kanana izany no nitranga.

Nijanona tao Sekema i Abrahama raha vao tonga tao Kanana, ary nifindra nianatsimo “nankany amin’ny faritra be tendrombohitra any atsinanan’i Betela. Dia nanangana ny tranolainy izy, ka i Betela no teo andrefany, ary Ay no teo atsinanany.” (Ge 12:8) Nisy mosary tany Kanana, ka nankany Ejipta i Abrahama ary nijanona kelikely tany. Nipetraka tany atsinanan’i Betela indray izy sy Lota zana-drahalahiny rehefa niverina. Tany atsinanan’i Betela foana i Abrahama no nanangana ny tranolainy, ka heverina fa tao Burj Beitin izany, eo atsimoatsinanana kelin’i Beitin. Voalaza fa “anisan’ny toerana ahatazanana tsara an’i Palestina” izy io. (Rakipahalalana Momba ny Baiboly, nataon’i T. Cheyne, Londres, 1899, Boky I, tsang. 552) Mety ho teo amin’io toerana io i Lota no nasain’i Abrahama nifidy izay tany tiany haleha rehefa hisaraka izy mianaka. “Nanopy ny masony” àry i Lota, “dia nahatazana ny Faritr’i Jordana manontolo” ka io no nofidiny. (Ge 13:8-11) Nasain’i Jehovah nitodika tany amin’ny vazan-tany efatra i Abrahama avy eo, ary nomeny toky fa homeny ho lovan’ny taranany izany.​—Ge 13:14, 15.

Rehefa nanoratra ny Genesisy i Mosesy, dia nantsoiny hoe “Betela” ilay tanàna teo akaikin’ny toerana nitobian’i Abrahama. Tatỳ aoriana izy vao nilaza fa “Lozy” no niantsoan’ny Kananita azy io tany am-boalohany. (Jereo LOZY No. 1.) Teo akaikin’io tanàna io i Jakoba no natory tamin’izy avy tany Beri-sheba hankany Harana. Nanonofy izy ka nahita tohatra nipaka tamin’ny lanitra, ary nandre an’Andriamanitra namerina an’ilay fampanantenana efa nataony tamin’i Abrahama. Nanangana tsangambato teo i Jakoba, ary nantsoiny hoe Betela ilay toerana, na dia ‘Lozy aza no anaran’ilay tanàna taloha.’ (Ge 28:10-19) Tokotokony ho 20 taona tatỳ aoriana, dia hoy Jehovah tamin’i Jakoba tany Harana: ‘Izaho ilay niseho taminao tao Betela.’ Nasainy niverina tany Kanana i Jakoba avy eo.​—Ge 31:13.

Nasain’Andriamanitra niverina tany Betela i Jakoba rehefa avy naripak’ireo zanany lahy ny mponina tao Sekema, noho ny nametavetana an’i Dina. Nofoanan’i Jakoba daholo ireo zavatra avy amin’ny fivavahan-diso tany amin’ny ankohonany sy ny mpanompony, dia nankany Betela izy, ary narovan’Andriamanitra teny an-dalana. Nanorina alitara izy rehefa tonga tany ary nohamafisiny ny anaran’ilay toerana, ka nantsoiny hoe Ela-betela izay midika hoe “Ilay Andriamanitr’i Betela.” Tany i Debora, ilay nampinono an’i Rebeka, no maty ka nalevina. Tany i Jehovah no nanamafy fa efa lasa Israely ny anaran’i Jakoba, ary tany koa Izy no namerina ilay fampanantenana nataony tamin’i Abrahama.​—Ge 35:1-16.

Niditra tao Kanana ny Israelita tamin’ny 1473 T.K. Ilay tanàna nantsoina taloha hoe Lozy no nantsoina hoe Betela, fa tsy ilay toerana nitobian’i Abrahama sy Jakoba. Nifanakaiky i Betela sy Ay, ka nampian’ireo Kananita tao Betela i Ay rehefa notafihin’ny Israelita. Tsy avotra anefa i Ay. Tsy fantatra raha tamin’izay na taorian’izay ny mpanjakan’i Betela no resin’ny tafik’i Josoa. (Js 7:2; 8:9, 12, 17; 12:9, 16) Lasa tanàna teo amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Efraima sy Benjamina i Betela. Nomena ho an’ny fokon’i Benjamina izy io nefa voalaza fa ny taranak’i Josefa (anisan’izany i Efraima) no tena nandresy azy io. (Js 16:1, 2; 18:13, 21, 22; Mpts 1:22-26) Tsy nantsoina hoe Lozy intsony ilay tanàna nanomboka teo.

Tamin’ny andron’ny mpitsara, dia “teo anelanelan’i Rama sy Betela tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima” i Debora mpaminanivavy no nipetraka. (Mpts 4:4, 5) Toa nalaina avy tany Silo ka nentina tany Betela ny Vata misy ny fifanekena, rehefa nofaizina ny fokon’i Benjamina noho ny heloka nataon’ny Benjamita sasany. I Betela mantsy no tanàna akaiky indrindra an’ilay faritra nisy ady, tany Gibea (12 km eo ho eo, any atsimon’i Betela).​—Mpts 20:1, 18, 26-28; 21:2.

Nitety an’i Betela sy Gilgala ary Mizpa isan-taona, i Samoela rehefa nitsara ny vahoaka, ary mbola tian’ny olona ny nandeha nivavaka tany Betela. (1Sa 7:16; 10:3) Nanomboka teo anefa, ka mandra-pizaran’ny fanjakana (997 T.K.), dia indray mandeha monja no voatonona i Betela, tamin’i Saoly sy ny tafiny nitoby tao mba hiady tamin’ny Filistinina.​—1Sa 13:2.

Toerana niavaka i Betela taloha satria tao ilay tena Andriamanitra no nampahafantatra ny heviny. Lasa foiben’ny fivavahan-diso anefa io tanàna lehibe tany amin’ny fanjakana tany avaratra io rehefa nanjaka i Jeroboama. I Betela no tanàna farany atsimo amin’ilay fanjakana vao niforona tany avaratra, fa i Dana kosa no tanàna farany avaratra. Naorin’i Jeroboama tany Betela sy Dana àry ny fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena. Tsy tiany hankany amin’ny tempolin’i Jerosalema mantsy ny olona tao amin’ny fanjakany. (1Mp 12:27-29) Nanjary nilazana fivadiham-pinoana maharikoriko ny hoe Betela satria lasa nanana ny trano fivavahany manokana izy io, nanana ny fetiny sy ny mpisorony izay tsy anisan’ny taranak’i Levy. (1Mp 12:31-33) Tsy nankasitraka izany i Jehovah ka nirahiny tany Betela avy hatrany ilay “lehilahin’Andriamanitra” mba hanameloka an’ilay alitara nampiasaina tamin’ny fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena. Nitresaka ilay alitara ho fambara fa tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’ilay mpaminany. Rehefa niala tao Betela izy dia voataonan’ny mpaminany zokiolona iray hanaraka hafatra avy tamin’ny anjely, hono. Nifanohitra tamin’ny baikon’Andriamanitra anefa ilay hafatra. Loza ny vokany, fa novonoin’ny liona izy, ary nalevina tao Betela, tao amin’ny fasan’ilay mpaminany zokiolona. Rehefa nahita izany rehetra izany ilay zokiolona dia azony antoka fa tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’i Jehovah, ka nasainy nalevina tao amin’io fasana io ihany koa ny fatiny.​—1Mp 13:1-32.

Nalain’i Abia mpanjakan’ny Joda i Betela sy ny tanàna hafan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. (2Ta 13:19, 20) Toa tafaverina tamin’ny Israely ihany anefa i Betela tamin’ny andron’i Basa mpanjakan’ny Israely. Niezaka nanamafy an’i Rama mantsy i Basa, nefa io tanàna io mbola tany atsimo ben’i Betela. (1Mp 15:17; 2Ta 16:1) Namongotra ny fivavahana tamin’i Bala tany Israely i Jeho Mpanjaka, tatỳ aoriana. Mbola nitohy foana anefa ny fivavahana tamin’ireo zanak’omby volamena tany Dana sy tany Betela.​—2Mp 10:28, 29.

Marina fa nanjaka tao Betela ny fivavahan-diso, nefa lazain’ny Baiboly hoe nisy mpaminany maromaro tao tamin’ny andron’i Elia sy Elisa. Tao koa no nisy andiana ankizilahikely nanakora an’i Elisa ka maro tamin’izy ireo no namoy ny ainy satria nofaizin’Andriamanitra.​—2Mp 2:1-3, 23, 24.

Tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy T.K. sy teo antenatenan’ny taonjato fahavalo T.K., dia samy nanambara ny fanamelohan’Andriamanitra an’ilay fanompoan-tsampy tao Betela i Amosa sy Hosea. I Betela (midika hoe “Tranon’Andriamanitra”) no notononin’i Hosea rehefa niresaka momba ilay toerana nisehoan’Andriamanitra tamin’i Jakoba izy. (Ho 12:4) I Betela ihany koa anefa ilay nantsoiny hoe “Beti-avena” izay midika hoe “Tranon’ny Fanaovan-dratsy (Zava-dratsy)” mba hampisehoana ny vokatry ny fivavahan-diso natao tao. (Ho 4:15; 5:8) Efa nilaza i Hosea fa hitondra alahelo ho an’ny Israely mpanompo sampy ireo zanak’omby volamena notompoin’ny mpisoron’ny andriamani-kafa ireo. Efa nilaza koa izy fa horavana ireo toerana avo teo aminy, ho rakotra tsilo ny alitarany, ary halefa sesitany any Asyria ilay vahoaka ka hiantsoantso amin’ny tendrombohitra hoe: “Saròny izahay!”, sy amin’ny havoana hoe: “Mianjerà aminay!” (Ho 10:5-8; ampit. Lk 23:30; Ap 6:16.) Nilaza koa ny mpaminany Amosa fa fandikan-dalàna daholo ny sorona maro be nataon’ny olona teo amin’ny alitaran’i Betela sy ireo fivahiniana masina natao tao. Handevona azy ireo àry ny afon’ny fahatezeran’i Jehovah, dia afo tsy mety maty. (Am 3:14; 4:4; 5:5, 6) Tezitra tamin’io faminanian’i Amosa tao Betela io i Amazia mpisorona nivadi-pinoana. Nampangainy ho nampirisika ny olona hikomy tamin’ny mpanjaka àry i Amosa, ka nasainy ‘nody tany Joda’ mba haminany any. Hoy izy: “Aza maminany eto Betela intsony, satria toerana masin’ny mpanjaka eto, sady renivohi-panjakana.”​—Am 7:10-13.

Mbola toerana fanompoan-tsampy foana i Betela mandra-pandresin’i Asyria ny fanjakana tany avaratra, tamin’ny 740 T.K. Nanonona an’i Betela àry i Jeremia, 100 taona mahery tatỳ aoriana, rehefa nampitandrina fa ho menatra ireo nitoky tamin’ny andriamani-diso. (Je 48:13) Mbola foiben’ny fivavahana ihany i Betela taorian’ny sesitany satria nisy mpisorona tany an-tsesitany nasain’ny mpanjakan’i Asyria niverina tany Israely mba hampianatra ny olona momba “ny fivavahana amin’ny Andriamanitr’ilay tany.” Namely ny olona tany mantsy ny liona. Nipetraka tao Betela ilay mpisorona “ka nampianatra ny fomba hatahorana an’i Jehovah.” Azo inoana fa mpisoron’ny zanak’omby volamena izy io satria ‘i Jehovah no nanjary natahoran’ny olona, nefa ny andriamaniny ihany no nivavahany.’ Mbola nitohy ihany ny fampianaran-diso sy ny fanompoan-tsampy natombok’i Jeroboama.​—2Mp 17:25, 27-33.

Tanteraka ny faminanian’i Hosea ka nentina tany amin’ny mpanjakan’i Asyria ilay zanak’omby volamena tao Betela. (Ho 10:5, 6) Ilay alitara nataon’i Jeroboama kosa mbola tavela tao hatramin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda. Nesorin’i Josia ny fanompoan-tsampy hatrany Betela sy tany amin’ireo tanànan’i Samaria, tamin’ny taona faha-18 nanjakany (642 T.K.) na taorian’izay. Noravany ny toerana nanompoana sampy tao Betela. Nalainy ny taolam-paty avy tao amin’ireo fasana teny amin’ny manodidina ka nodorany teo ambonin’ilay alitara mba hanazimbazimbana azy io. Tanteraka àry ny faminaniana nolazain’ilay “lehilahin’Andriamanitra” 300 taona mahery talohan’izay. Ny fasana nisy an’ilay “lehilahin’Andriamanitra” ihany no tsy voakasika, ka tsy voakasika koa ny taolan’ilay mpaminany zokiolona nilevina tao.​—2Mp 22:3; 23:15-18; 1Mp 13:2, 29-32.

Nisy mponin’i Betela tamin’ireo Israelita nody avy tany an-tsesitany tany Babylona (Ezr 2:1, 28; Ne 7:32), ary nonina indray tao Betela ny Benjamita. (Ne 11:31) Tamin’ny andron’ny Makabeo, dia nanamafy an’i Betela ilay Jeneraly syrianina atao hoe Bakidesa (t. 160 T.K.). Nahazo azy io kosa ilay Jeneraly romanina atao hoe Vespasien, talohan’ny nahatongavany ho mpanjakan’i Roma.

2. Iray amin’ireo tanàna nandefasan’i Davida fanomezana, tamin’izy nandresy ny Amalekita. (1Sa 30:18, 26, 27) Voalaza fa anisan’ny ‘toerana efa nalehan’i Davida sy ny olony’ izy io. Toa toeran-kafa àry izy io, ary nantsoina hoe Betola na Betoela, tanànan’ny Simeonita tao amin’ny faritanin’i Joda.​—1Sa 30:31; Js 19:1, 4; 1Ta 4:30, jereo BETOELA No. 2.