Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Betesda

Betesda

(Betesdà).

Anarana dobo. Teo i Jesosy no nanasitrana lehilahy iray efa narary nandritra ny 38 taona. (Jn 5:1-9) Misy sora-tanana sy dikan-teny miantso azy io hoe Betzatà. (Jaona 5:2, DIEM, f.a.p.) Voalaza fa nisy lala-mitafo dimy ilay dobo, ary maro be ny olona narary, jamba, nalemy tongotra, ary kilemaina nijanona teo. Toa nino ireo olona ireo hoe afaka manasitrana ilay rano, raha tamin’iny izy nihetsika iny no nirobohana. Milaza ny tapany farany amin’ny andininy faha-3, sy ny andininy faha-4 ao amin’ny Baiboly Katolika sy DIEM fa anjely no manetsika an’ilay rano. Tsy hita ao amin’ny sora-tanana grika tranainy indrindra anefa izany, ary heverina ho teny nasisika tatỳ aoriana. Tsy lazain’ny Baiboly àry ny antony mahatonga an’ilay rano hihetsika, fa lazainy fotsiny hoe mino ny olona hoe manana hery mahagaga manasitrana ilay rano.

Ahalalana ny toeran’ilay dobo ny filazana azy io hoe teo akaikin’ny “vavahadin’ondry” (tsy nisy hoe “vavahady” ilay teny grika tany am-boalohany). Mazàna no lazaina fa teo avaratr’i Jerosalema no nisy an’io vavahady io. Milaza ny Nehemia 3:1 fa ny mpisorona no nanao ny Vavahadin’ondry. Toa midika izany fa teo no fidirana nankao amin’ny faritry ny tempoly. Lazaina koa fa mifandray ny anarana hoe Betesda sy ilay anarana hoe Bezeta, izay anisan’i Jerosalema fahiny, teo avaratry ny faritry ny tempoly. Tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, dia tany ivelan’ny mandan’ny tanàna no nisy an’io Bezeta io. Lasa tao anatin’ny manda anefa izy io satria nanampy manda fahatelo teo avaratry ny tanàna i Heroda Agripa I (maty tamin’ny taona 44) tamin’ny andro nanjakan’i Klaodio (taona 41-54). Afaka niteny àry i Jaona hoe “any Jerosalema” no misy an’ilay dobo satria fantany ilay tanàna talohan’ny naharava azy io tamin’ny taona 70.

Hitan’ny mpikaroka tamin’ny 1888 fa nisy dobo roa nosarahin’ny vato, teo avaratra kelin’ny toerana nisy ny tempoly. Nirefy 46 m teo ho eo ny sakany ary 92 m teo ho eo ny lavany. Asehon’ireo sisan-javatra tavela fa nisy lala-mitafo teo taloha, ary ahitana sarin’anjely manetsika rano (mety hoe tatỳ aoriana anefa vao natao io sary efa manjavozavo io). Toa mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly ny mombamomba ilay toerana.