Beti-avena
(Bèti-avèna) [Tranon’ny Fanaovan-dratsy (Zava-dratsy)].
1. Tanàna tao amin’ny tanin’ny fokon’i Benjamina, akaikin’ny tanànan’i Ay fahiny. (Js 7:2; 18:11, 12) Tany an-tany efitra no nisy azy io, tany atsinanan’i Betela ary tany andrefan’i Mikmasy. Voatonona io tanàna io ao amin’ny fitantarana momba ilay ady niavaka nandripahan’i Saoly sy Jonatana ny Filistinina nanomboka tao Mikmasy.—1Sa 13:5; 14:23.
2. Anaran-tanàna notononin’i Hosea mpaminany niaraka tamin’i Gibea sy Rama (tanàna lehibe an’ny fokon’i Benjamina koa). Nitomany noho ny fanompoan-tsampin’ny Israely ilay mpaminany tamin’izay. (Ho 4:15; 5:8; 10:5, 8) Toa i Betela no tian’ilay mpaminany hesoina eto ka nantsoiny hoe Beti-avena. ‘Tranon’Andriamanitra’ mantsy i Betela taloha, nefa lasa ‘tranon’ny zava-dratsy’ tatỳ aoriana noho ny fivavahana tamin’ny zanak’omby volamena tao.—1Mp 12:28-30.