Beti-biry
(Bèti-birỳ).
Tanàna tany amin’ny faritr’i Negeba tao amin’ny tanin’i Joda, saingy nomena ho an’ny taranak’i Simeona. (1Ta 4:24, 31) Beti-lebaota fa tsy Beti-biry no ao amin’ny Josoa 19:6, izay lisitra mitovy amin’io. Misy milaza fa Beti-biry no niantsoan’i Ezra an’ilay tanàna taorian’ny sesitany satria izy no nanoratra ny bokin’ny Tantara. Toa mbola ahitana ny anaran’i Beti-biry ao amin’ny hoe Jebel el-Biri, tendrombohitra tokotokony ho 40 km any atsimoandrefan’i Beri-sheba. Misy milaza àry hoe mety ho teo amin’io tendrombohitra io na teo akaikiny no nisy an’i Beti-biry.—Jereo BETI-LEBAOTA.