Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Beti-edena

Beti-edena

(Beti-edèna) [Tranon’i Edena].

Tanàna na faritra tany Syria noresahin’i Amosa mpaminany ao amin’ilay fanamelohana an’i Damaskosy. (Am 1:5) Maro no mihevitra fa ilay Bit-adini resahin’ny soratra asyrianina izy io, izany hoe ilay faritra teo anelanelan’ny reniranon’i Eofrata sy ny reniranon’i Balikh. Tsy mitombina anefa izany raha tsy hoe ireo fanjakana aramianina (syrianina) rehetra angaha no mifanitsy amin’i “Damaskosy” resahin’ilay faminaniana, satria tany amin’ny 480 km teo ho eo avaratr’i Damaskosy no nisy ny fanjakan’i Bit-adini. I Damaskosy mantsy no “lohan’i Syria.”​—Is 7:8.

Nilaza koa i Amosa (tamin’ny t. 804 T.K. angamba) fa “hatao sesitany any Kira ny mponin’i Syria.” Toa tanteraka izany tamin’ny fotoana nitondran’i Tiglato-pilesera III mpanjaka asyrianina, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka (761-746 T.K.).​—2Mp 16:9.

Mety ho ny mponin’i Beti-edena (angamba ilay “Edena” ao amin’ny Ezk 27:23) ireo “zanak’i Edena” ao amin’ny 2 Mpanjaka 19:12 sy Isaia 37:12.​—Jereo EDENA No. 2.