Beti-kara
(Bèti-kàra) [Tranon’ny Ondrilahy].
Voalaza fa tonga “hatrany atsimon’i Beti-kara” ny Israely tamin’izy ireo nanenjika an’ireo Filistinina resy tao Mizpa. (1Sa 7:11) Maro no mihevitra an’i Beti-kara ho i Beti-hakerema ihany (Je 6:1; Ne 3:14), izay voalaza fa i ʽAin Karim (ʽEn Kerem), tokotokony ho 7,5 km any andrefana atsimoandrefan’ny tendrombohitra nisy ny tempoly tany Jerosalema. Raha tany ny lalan’ny Filistinina avy tany Mizpa dia tsy maintsy nandalo teo amin’ny Lohasaha Falehan-driaka beit Hanina izy ireo, vao nidina namakivaky ny Lohasahan’i Soreka, ary tonga tany amin’ny Lemak’i Filistia.—Jereo BETI-HAKEREMA.