Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Beti-rehoba

Beti-rehoba

(Betì-rehòba) [Tranon’ny Tany Malalaka (Toerana Malalaka)].

Anarana fanjakana kely aramianina. Io koa angamba no tena niantsoana an’ilay tanàna lehibe indrindra tany. “Teo amin’ny lemaka ivan’i Beti-rehoba” no nisy an’ilay tanànan’i Laisy notafihin’ny Danita 600. (Mpts 18:7, 28) Nanakarama Syrianina avy any Beti-rehoba ny Amonita mba hiady tamin’ny tafiky ny Israely tamin’ny andron’i Davida, nefa mbola resy ihany. (2Sa 10:6) Nantsoina hoe “Rehoba” fotsiny koa i Beti-rehoba (2Sa 10:8), ka azo inoana fa anisan’ireo toerana tongan’ireo Israelita 12 nijery taratra an’i Kanana.​—No 13:21.

‘Lemaka iva’ i Beti-rehoba, izay nisy an’i Laisy (Dana tatỳ aoriana). Milaza koa anefa ny Nomery 13:21 fa ‘teo amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata’ i Beti-rehoba. Azo inoana àry fa tany amin’ny faritra atsimon’ny Lohasahan’i Bekaʽ, eo anelanelan’ny Tandavan-tendrombohitra Libanona sy Amana (Anti-Liban ankehitriny), no nisy azy io, na dia tsy fantatra aza hoe taiza marina.