Beti-sita
(Bèti-sìta) [Tranon’ny [Hazo] Akasia].
Tanàna teny amin’ny lalana nandosiran’ny Midianita rehefa resin’i Gideona Mpitsara izy ireo teo amin’ny Lemaka Ivan’i Jezirela. (Mpts 7:22) Koa satria tany akaikin’ny havoanan’i More sy ny loharanon’i Haroda no nitranga ilay ady, dia tsy maintsy ho tany atsinanana na atsimoatsinanan’ireo toerana ireo no nisy an’i Beti-sita satria nankany Jordana ny Midianita rehefa nandositra. (Mpts 7:1) Misy milaza fa tao Sata (Bet Ha-shitta), tokotokony ho 4,5 km any atsinanana atsimoatsinanan’i ʽEn Harod, no nisy an’i Beti-sita. Mbola ahitana an’ilay anarana koa ao amin’ny hoe Sata. Misy kosa milaza fa tokony ho tany atsimoatsinanana kokoa no nisy an’i Beti-sita satria akaiky loatra an’ilay toerana nisian’ny ady i Sata. Tsy milaza ny toerana nisy an’i Beti-sita anefa izy ireo.